Tamin’i Israely manontolo dia tsy nisy lehilahy tsara tarehy sy nodokafana fatratra tahaka an’i Absalôma; fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy.
Isaia 1:6 - DIEM PROTESTANTA Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha dia tsy misy tsy marary: ratra, dian-kapoka, fery vao, tsy mbola nisy nanadio na namehy na nanisy diloilo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha dia tsy misy izay tsy marary, ratra sy dian-kapoka ary fery vao tsy voatsabo na voafehy na voalemin’ny diloilo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha dia tsy misy tsy marary: ratra, dian-kapoka, fery vao, tsy mbola nisy nanadio na namehy na nanisy diloilo. Baiboly Katolika Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha, tsy misy salama na dia kely aza, ao aminy: Tsy misy afa-tsy ratra, dian-kapoka, fery mangirifiry, tsy voasasa, na voabandy, na voalemin-diloilo akory. Baiboly Protestanta Malagasy Hatramin’ny faladia ka hatramin’ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin’ny diloilo izy. Malagasy Bible Hatramin'ny faladia ka hatramin'ny loha dia tsy misy izay tsy marary, Fa ratra sy dian-kapoka ary fery vao; Tsy mbola voaporitra, na voafehy, na voalemin'ny diloilo izy. La Bible en Malgache Hatrany am-paladia ka hatrany an-tampon-doha dia tsy misy izay tsy marary, ratra sy dian-kapoka ary fery vao tsy voatsabo na voafehy na voalemin’ny diloilo. |
Tamin’i Israely manontolo dia tsy nisy lehilahy tsara tarehy sy nodokafana fatratra tahaka an’i Absalôma; fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy.
Fa Andriamanitra dia mety mampijaly, raha mitsabo fery; ary ny tànany dia mety mandratra, raha manasitrana.
Amin’ny andro hitsaboan’ny TOMPO ireo ratra nanjo ny vahoakany sy hanasitranany ny fery tamin’ny namelezana azy, ny fahazavàn’ny volana dia ho tahaka ny an’ny masoandro, ary ny fahazavàn’ny masoandro dia hamiratra ho impito heny raha oharina amin’ny hazavàny isan’andro.
–Tsy misy zavatra mamitaka hoatra ny fon’olombelona. Tsy azo sitranina izy, ary tsy misy mahafantatra ny aminy.
Izao no lazain’ny Tompo: «Tsy azom-panafana ny fahavoazanao, tsy azo sitranina ny ratranao.
Nahoana no itarainanao ny fahavoazanao sy ny fanaintainanao tsy azo tonena? Ny halehiben’ny helokao sy ny hamaroan’ny otanao no nampiharako izany taminao.
«Kanefa indro Aho hitsabo an’i Jerosalema ka hahasitrana azy tanteraka; ary hasehoko mitafotafo amin’ny mponina indray ny fiadanana sy ny filaminana.
Alasafay fotsiny no nitsaboany ny fahavoazan’ny vahoakako tamin’ny nilazany hoe: «Fiadanana, fiadanana!»; kanjo tsy nisy fiadanana akory!
Mampiboiboika ny faharatsiany toy ny fantsakana mamoaka rano izy. Herisetra sy famoretana no mba re ao. Ratra sy fijaliana no hitako ao mandrakariva.
Tsy misy fanafany ny fangirifirianao ary tsy azo sitranina intsony ny ferinao. Fa izay rehetra mahalala ny nanjò anao dia hitehaka avokoa manoloana ny fahavoazanao, satria zovy moa no tsy nahita faisana noho ny habibiana mitohy nafitsokao?
Nohatonin’ilay Samaritanina izy ka nofeheziny ny feriny sady nandrarahany diloilo sy divay; avy eo dia natainginy teo amin’ny ampondrany ralehilahy ary nentiny tany an-tranombahiny ka nokarakarainy tao.