TOMPO Andriamanitro ô, maro tokoa ny zava-mahagaga izay nataonao; ka tsy misy azo ampitahaina aminao! Ary ny hevitra anasoavanao anay dia maro loatra ka tsy tambo isaina, tsy ary ho voatanisako na ho voalazako.
Isaia 1:12 - DIEM PROTESTANTA Ianareo izay tonga hiseho eto anatrehako, moa Izaho ve no nangataka anareo hanitsakitsaka ny kianjan’ny tempoliko? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa tonga miseho eo anatrehako ianareo, iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ianareo izay tonga hiseho eto anatrehako, moa Izaho ve no nangataka anareo hanitsakitsaka ny kianjan’ny tempoliko? Baiboly Katolika Raha tonga hiseho eo anatrehako ianareo, zovy moa no nitady anareo, handia izay kianjako akory? Baiboly Protestanta Malagasy Raha avy miseho eo anatrehako hianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako? Malagasy Bible Raha avy miseho eo anatrehako ianareo, Iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako? La Bible en Malgache Rehefa tonga miseho eo anatrehako ianareo, iza moa no nitady anareo hanitsakitsaka ny kianjako? |
TOMPO Andriamanitro ô, maro tokoa ny zava-mahagaga izay nataonao; ka tsy misy azo ampitahaina aminao! Ary ny hevitra anasoavanao anay dia maro loatra ka tsy tambo isaina, tsy ary ho voatanisako na ho voalazako.
Koa intelo isan-taona izany ny lehilahy rehetra aminareo no ho tonga hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo.
«Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra ao aminareo no hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitr’i Israely.
Aza maika ny hiteny ary aza malaky manapa-kevitra hanao voady amin’Andriamanitra; fa any an-danitra Andriamanitra ary ianao kosa etỳ ambonin’ny tany. Koa lanjalanjao ny teninao.
Moa ataonareo ho zohy fieren’ny jiolahy ve ity trano izay natokana ho Ahy ity? Fa izany no fahitako azy, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.
Tsia, ry olombelona, fa efa nampianarina anao ny fitondrantena tsara sy izay tadiavin’ny TOMPO aminao: dia ny hanao ny rariny sy handala ny fitiavana ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amim-panetrentena.
nampitondra ahy ny valin-teniny ho an’ny mpisorona sy ho an’ny mponina rehetra teo amin’ny tany nanao hoe: «Hatramin’izay fitopolo taona izay, raha nifady hanina sy nitomany tamin’ny volana fahadimy sy fahafito ianareo, moa ho Ahy va no nanaovanareo izany?
Ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ny olona; ka dia lehibe ny azy ny boaty mirakitra tenin’ny lalàna fitondra eny an-kandrina na eny an-tsandry, ary vaventy ny somotraviavy eny amin’ny lambany.
Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra aminareo no hiseho eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo any amin’ny toerana izay hofidiny, dia amin’ny fankalazana ny mofo tsy misy leviora sy ny fankalazana ny Pentekôsta ary ny fankalazana ny Tranotomboka. Ary aoka tsy ho tanam-polo no hisehoany eo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO;