Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 1:10 - DIEM PROTESTANTA

Mihainoa ny tenin’ny TOMPO, ry mpitondra lomorina tahaka an’i Sôdôma; mandrenesa ny lalànan’ilay Andriamanitsika, ry vahoaka ratsy toetra tahaka an’i Gômôra:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Henoy ny tenin’NY TOMPO, ry mpitondra an’i Sodoma! Atongilano amin’ny lalànan’Andriamanitsika ny sofinareo, ry vahoakan’i Gomora!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mihainoa ny tenin’ny TOMPO, ry mpitondra lomorina tahaka an’i Sôdôma; mandrenesa ny lalànan’ilay Andriamanitsika, ry vahoaka ratsy toetra tahaka an’i Gômôra:

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ry mpitsaran’i Sôdôma; mitongilàna sofina amin’ny lalàn’ny Andriamanitsika, ry vahoak’i Gômôra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mandrenesa ny tenin’i Jehovah, ry mpitsaran’i Sodoma; Mihainoa ny lalàn’Andriamanitsika, ry vahoakan’i Gomora.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mandrenesa ny tenin'i Jehovah, ry mpitsaran'i Sodoma; Mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ry vahoakan'i Gomora.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Henoy ny tenin’NY TOMPO, ry mpitondra an’i Sodoma! Atongilano amin’ny lalànan’Andriamanitsika ny sofinareo, ry vahoakan’i Gomora!

Jereo ny toko



Isaia 1:10
21 Rohy Ifampitohizana  

Ny mponina tao Sôdôma dia tena ratsy toetra sady nanota mafy tamin’ny TOMPO.


Noho izany, mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo mpaniratsira izay mpitondra ity firenena eto Jerosalema ity


Ny endrika asehony dia efa miampanga azy; manota an-karihary toy ny mponin’i Sôdôma izy fa tsy mba miafinafina intsony. Indrisy! Anomanany loza ho an’ny tenany izany.


Fa vahoaka maditra izy ireo, zanaka mandainga, tsy mety mihaino ny fampianaran’ny TOMPO.


Ny TOMPO no ho mpitarika antsika, IZY no ho mpanao lalàna ho antsika; ny TOMPO no ho mpanjakantsika sy ho mpamonjy antsika.


Izao kosa no havalinareo izany: «Ao amin’ny fampianarana sy ny hafatry ny TOMPO ihany no tsy maintsy hiverenana.» Fa izay tsy miteny araka izany baiko izany dia tsy hiposahan’ny taratry ny maraina.


Fa tao amin’ny mpaminanin’i Jerosalema dia nahitako zavatra mahatsiravina: sady mijangajanga izy no mivelona amin’ny lainga. Mampirisika ny mpanao ratsy izy hany ka misakana ny tsirairay hiala amin’ny faharatsiany. Izy rehetra amiko dia tonga tahaka ny olon’i Sôdôma; ary ny mponin’i Jerosalema dia sahala amin’ny an’i Gômôra.»


«Ry ilay taranak’olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hanohitra ireo mihambo ho mpaminany eto Israely ka maminany araka ny nahim-pony. Asaovy mihaino ny teniko izy.


«Noho izany, ry Jerosalema janga, henoy ny tenin’ny TOMPO.


I Samaria any avaratra mbamin’ireo zana-bohiny no zokinao vavy, ary i Sôdôma ao atsimo mbamin’ireo zana-bohiny no zandrinao vavy.


Ireto monja no hany fahadisoany: niaina tamin’ny avonavona sy ny fihinanam-be ary ny toetra bonaika tsy miraika izy fa tsy namonjy ny mahantra sy ny fadiranovana.


Ry taranak’i Israely, dia ianareo ankohonana rehetra izay nampiakarin’ny TOMPO avy tany Ejipta, henoy izao teny nambarany momba anareo izao:


Ny liona no nierona, ka iza no tsy hatahotra? Ny Tompo ANDRIANANAHARY no niteny, ka iza no tsy hampita ny hafatra ampitondrainy?


Izao no teny hentitry ny TOMPO: «Amiko ve ianareo, ry taranak’i Israely, tsy tahaka ny taranaka etiôpianina ihany? Moa tsy nampiakariko avy tany Ejipta ve ianareo, tahaka ny nampiakarako ny Filistinina avy tany Kaftôra sy nampiakarako ny Sirianina avy tany Kira?»


Dia hoy aho hoe: Ry mpitondra ny taranak’i Jakôba, eny, ry mpitsara ny vahoakan’i Israely, mihainoa re ianareo. Moa tsy anjara raharahanareo ve ny hahafantatra ny rariny?


Ary izany dia araka izay voalazan’i Isaià taloha hoe: «Raha tsy ny Tompon’izao rehetra izao no namela taranaka ho antsika, dia ho efa sahala amin’i Sôdôma isika ary ho efa nanahaka an’i Gômôra.»


Tahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra ihany ireo fahavalon’i Israely: tahom-boaloboka mamokatra voaloboka mahafaty sy sampaho mangidy.


Ka ny fatiny dia hiampatra eny an-dalamben’ilay tanàna lehibe; io tanàna io no nanomboana ny Tompony tamin’ny hazofijaliana sady antsoina koa hoe Sôdôma na Ejipta araka ny heviny ara-panahy.