Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 8:3 - DIEM PROTESTANTA

dia efa nolavin’i Israely ny tsara, ka hanenjika azy ny fahavalo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Arian’ny Israely ny soa ka ny fahavalo no hanenjika azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia efa nolavin’i Israely ny tsara, ka hanenjika azy ny fahavalo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Efa boboky ny soa anefa i Israely; ka aoka hoenjehin’ny fahavalo izy!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ataon’ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ataon'ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Arian’ny Israely ny soa ka ny fahavalo no hanenjika azy.

Jereo ny toko



Hosea 8:3
10 Rohy Ifampitohizana  

Mandoka tena loatra izy, ka tsy miaiky hadisoana na mankahala izany.


Hoenjehinao amim-pahatezerana izy ka haringanao tsy ho etỳ ambonin’ny tany.


Ny mpanenjika anay kosa haingam-pandeha noho ny voromahery eny an-danitra. Manenjika anay hatrany an-tendrombohitra izy, ary manotrika hamely anay any an-taniefitra.


Na dia mitaraina amiko aza izy hoe: ‹Ry Andriamanitr’i Israely ô, mahalala Anao izahay!›,


Nanangana mpanjaka izay tsy nofidiko izy ary nanendry filoha izay tsy fantatro akory. Nanaovany sampy ny volafotsy na ny volamenany mba ho fongotra aminy.


«Izay sisa velona aminareo, any amin’ny tanin’ny fahavalony any, dia hampidirako fahareraham-po ka na ny fipikan’ny ravinkazo anankiray paohin-drivotra aza dia hampandositra azy; handositra ireo toy ny mandositra fahavalo mitan-tsabatra, ary ho lavo ireo na dia tsy misy mpanenjika aza.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Fahotana mifanesy no vitan’ny mponin’i Edôma, fa indrindra ity anankiray ity: Nenjehiny hotrobarana sabatra ny Israelita rahalahiny sady tsy nananany antra akory; tsy nisy fetra ny fahatezerany namiravira, ary nitahiry lolom-po mandrakariva izy. Noho izany, dia tsy hahemotro ny sazy momba azy:


Hatolotry ny TOMPO horesen’ny fahavalo ianareo; ka raha lalana iray no handrosoanareo hiady aminy, dia lalana fito kosa no handosiranareo hiala eo anoloany. Ho zava-mahatsiravina ny nihatra taminareo ho an’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany.


ka manjary meloka ireo, satria mivadika tamin’ilay toky nomeny an’i Kristy tam-boalohany.