Koa hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra: –Enga anie i Jismahela no ho velona eo anatrehanao!
Hosea 6:2 - DIEM PROTESTANTA Rehefa afaka roa andro, dia hovelominy indray isika; amin’ny andro fahatelo dia hatsangany indray isika ho velona eo anatrehany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa afaka roa andro dia hovelominy indray isika ary amin’ny andro fahatelo dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa afaka roa andro, dia hovelominy indray isika; amin’ny andro fahatelo dia hatsangany indray isika ho velona eo anatrehany. Baiboly Katolika fa Izy no namiravira, Izy no hahasitrana antsika; mikapoka Izy, nefa hamehy ny ferintsika koa. Baiboly Protestanta Malagasy Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin’ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika. Malagasy Bible Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin'ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika La Bible en Malgache Rehefa afaka roa andro dia hovelominy indray isika ary amin’ny andro fahatelo dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika. |
Koa hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra: –Enga anie i Jismahela no ho velona eo anatrehanao!
hiverina ka hilaza amin’i Hezekià filohan’ny vahoakan’Andriamanitra hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Davida razambenao: Reko ny vavakao ary hitako ny ranomasonao. Koa hositraniko ianao, ary raha afakampitso ihany dia hiakatra ao an-tranoko ianao.
Fahoriana be sady mafy no navelanao hihatra tamiko; kanefa hovelombelominao indray aho, ary hampiakarinao indray ho afaka amin’ny fasana mampihitsoka.
misy fotoana amonoana ary misy fotoana itsaboana; misy fotoana andravana ary misy fotoana ananganana.
Ho velona indray ireo maty ao aminao, ry fireneko, ary hitsangana ny fatiny. Hifoha sy hanao hobim-pifaliana ireo matory ao amin’ny vovo-tany, fa handefasan’ny Tompo andom-pahazavana ianao ka hateraky ny tany indray ireo nodimandry.
Amin’ny andro hitsaboan’ny TOMPO ireo ratra nanjo ny vahoakany sy hanasitranany ny fery tamin’ny namelezana azy, ny fahazavàn’ny volana dia ho tahaka ny an’ny masoandro, ary ny fahazavàn’ny masoandro dia hamiratra ho impito heny raha oharina amin’ny hazavàny isan’andro.
Izaho TOMPO ve hanavotra ireo olona ireo tsy ho voagejan’ny fahafatesana, ka hanafaka azy amin’ny toeran’ny maty? Rafahafatesana ô, aiza ny aretina fandringananao? Ry toeran’ny maty ô, aiza ny loza fandripahanao? Tsy hana-maso miantra Aho.
Ary tsy mba misy mieritreritra fa tsaroako avokoa ny haratsiany. Ankehitriny mangeja azy ny asa ratsy fanaony, ka mby eo anatrehako izany.
Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy satria velona Aho ary ho velona koa ianareo.
Eny, velona isika, dia velona ho an’ny Tompo; maty isika, dia maty ho an’ny Tompo: koa na velona isika na maty, dia mbola an’ny Tompo ihany.
nalevina, nitsangana velona tamin’ny andro fahatelo araka ny voalazan’ny Soratra Masina,