Rehefa avy nivavaka ho an’ireo namany i Jôba, dia naverin’ny TOMPO hanan-karena indray ary nomeny indroan’izay rehetra nananany fahiny aza.
Hosea 6:11 - DIEM PROTESTANTA Ny aminao koa, ry Joda, dia efa voatendry ny fijinjana anao. Rehefa Izaho TOMPO kosa hanarina indray ny vahoakako Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny aminao koa, ry Joda, dia efa voatendry ny andro hijinjana anao rehefa tafaveriko amin’ny toerany ny oloko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny aminao koa, ry Joda, dia efa voatendry ny fijinjana anao. Rehefa Izaho TOMPO kosa hanarina indray ny vahoakako Baiboly Katolika Ianao koa, ry Jodà, misy fijinjana voatendry ho anao, raha avy izay hamoriako ny vahoakako avy amin’ny fahababoana. Baiboly Protestanta Malagasy Ny aminao, ry Joda, dia voatendry koa ny andro hijinjana anao, Rehefa ampodiko avy amin’ny fahababoana ny oloko. Malagasy Bible Ny aminao, ry Joda, dia voatendry koa ny andro hijinjana anao, rehefa ampodiko avy amin'ny fahababoana ny oloko. La Bible en Malgache Ny aminao koa, ry Joda, dia efa voatendry ny andro hijinjana anao rehefa tafaveriko amin’ny toerany ny oloko. |
Rehefa avy nivavaka ho an’ireo namany i Jôba, dia naverin’ny TOMPO hanan-karena indray ary nomeny indroan’izay rehetra nananany fahiny aza.
Hira fiakarana. Fony nampody ny babo tamin’i Tsiôna ny TOMPO, dia ohatra ny nanonofinofy isika.
«Koa aza matahotra ianareo, ry taranak’i Jakôba mpanompoko, hoy ny teny hentitry ny TOMPO; aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin’ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakareo avy any amin’ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.
Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Voahosihosy ilay Babilôna fadiranovana toy ny famoloana omanina hivelezam-bary; fa ho avy tsy ho ela ny fotoam-pijinjana azy.»
Kanjo tsy fantatr’ireny ny hevitry ny TOMPO, tsy takany ny fikasany, dia ny nanangonany azy tahaka ny amboara ao am-pamoloana hivelezana azy.
Ny sisa velona amin’ny taranak’i Joda no hanana izany faritra izany; ao no hiandrasany biby fiompy, ary ny tranon’i Askelôna no hatoriany amin’ny hariva. Fa hanasoa azy ny TOMPO Andriamaniny ary hanome fanambinana azy indray.
Dia nisy anjely anankiray nivoaka avy tao amin’ny tempoly, sady niantso tamin’ny feo mahery ka nanao tamin’Ilay nipetraka teo ambony rahona hoe: «Ampiasao ny antsy fijinjànao, ka mijinjà; fa tonga ny taom-pijinjana, satria toy ny vokatra efa masaka dia masaka ny tany.»