Nony afaka telo volana, dia nisy nitantara tamin’i Joda hoe: –Nivaro-tena i Tamara vinantovavinao, ka indro bevohòka izy! Dia hoy ny baikon’i Joda hoe: –Avoahy izy hodorana velona.
Hosea 4:18 - DIEM PROTESTANTA hanapitra ny fibobohany hampahery mijangajanga azy; fa tia fahafaham-baràka ireo filohany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha vao mitsahatra ny fibobohany divay dia tsy manao afa-tsy ny mijangajanga izy. Mankasitraka fahafaham-baraka ireo mpitondra azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara hanapitra ny fibobohany hampahery mijangajanga azy; fa tia fahafaham-baràka ireo filohany. Baiboly Katolika Raha vao avy misotro izy ireo, dia rafitra mijangajanga. Zava-mahamenatra no hany tadiavin’ireo mpifehiny. Baiboly Protestanta Malagasy Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga izy; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy. Malagasy Bible Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga izy; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy. La Bible en Malgache Raha vao mitsahatra ny fibobohany divay dia tsy manao afa-tsy ny mijangajanga izy. Mankasitraka fahafaham-baraka ireo mpitondra azy. |
Nony afaka telo volana, dia nisy nitantara tamin’i Joda hoe: –Nivaro-tena i Tamara vinantovavinao, ka indro bevohòka izy! Dia hoy ny baikon’i Joda hoe: –Avoahy izy hodorana velona.
Andriamanitra manjaka amin’ny firenen-drehetra sy mitoetra amin’ny sezafiandrianany manokana.
Aza mandray tsolotra fa ny tsolotra no mahajamba ny mason’ny mahiratra sy mamadika ny tenin’ny olo-marina.
Izaho anefa no namboly anao tahaka ny voaloboka tsara, dia rantsana tsara tokoa. Koa nahoana àry ianao no niova ho sampany ratsy sy tonga voaloboka hafa?
«Kanjo niantehitra tamin’ny hatsaran-tarehinao ianao ka nanararaotra ny lazanao mba hijangajangana ary nanaram-po nijangajanga tamin’izay rehetra nandalo.
Hihinana ihany izy fa tsy ho voky, hivaro-tena ihany izy fa tsy hanan-janaka, satria Izaho TOMPO efa tsy nahoany intsony.
Fa mitombo ny fanozonana olona sy ny famitahana azy ary ny famonoana azy ho faty, mbamin’ny halatra sy ny fanitsakitsaham-bady; mifandimby ny ra latsaka.
«Tahaka ny voaloboka any an-taniefitra no nahitako an’i Israely, tahaka ny aviavimbazaha masaka aloha indrindra no nahitako ny razanareo. Saingy rehefa mby tao Bahala-Pehôra izy, dia nanokan-tena ho amin’ny henatra ka tonga maharikoriko toy ilay Bahala notiaviny ihany.
Hoy koa ny Tompo hoe: «Fantatro fa marobe ireo helokareo ary mahatsiravina ireo fahotanareo; ianareo no mpandray tsolotra sy mpanenjika ny olo-marina, ka manodinkodina ny zon’ny mahantra eo amin’ny fitsarana,»
Ny mpitondra azy mitsara mba hahazoana tsolotra; ny mpisorony mampianatra ny lalàna mba hahazoana karama; ary ny mpaminaniny manambara ny ho avy mba hahazoana vola. Kanefa dia mbola miankina amin’ny TOMPO ihany ireo ka miteny hoe: «Tsy eto anivontsika ve ny TOMPO? Tsia, tsy hisy loza hanjo antsika.»
Vonona hanao ratsy ny tanany; ny mpitondra sy ny mpitsara mitaky tsolotra; ary ny lehibe milaza izay zavatra iriny, ka miara-miteti-dratsy hahatanteraka azy,
Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan’olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ny hendry ka mampamadika ny raharahan’ny manan-drariny.
Nefa izy roa lahy tsy mba nanahaka izay nataon-drainy, fa nanjary tia vola ka nandray tsolotra sy namilivily ny marina.