Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho! Mandehana mandositra any amin’ny anadahiko any Haràna.
Hosea 12:12 - DIEM PROTESTANTA Raha olona mpanao ratsy tokoa ny mponin’i Gilehada ka lasa tsinontsinona, tao Gilgala kosa omby mifanesy no natolotra hatao sorona, ka ny alitarany dia tonga korontam-bato eny am-bavasahan’ny tanimboly. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha tena olon-dratsy i Gileada dia ho tonga zava-poana tokoa izy. Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra; koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bava asa any an-tsaha. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha olona mpanao ratsy tokoa ny mponin’i Gilehada ka lasa tsinontsinona, tao Gilgala kosa omby mifanesy no natolotra hatao sorona, ka ny alitarany dia tonga korontam-bato eny am-bavasahan’ny tanimboly. Baiboly Katolika Raha zava-poana i Galaada, dia ho tsinontsinona koa izy ireo; nanao sorona omby tany Galgalà izy; noho izany ny ôteliny ho toy ny antontam-bato eny amin’ny saha voasoritsoritra. Baiboly Protestanta Malagasy Raha tena heloka Gileada, Dia ho tonga zava-poana tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra, Koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha. Malagasy Bible Raha tena heloka Gileada, dia ho tonga zava-poana tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra, koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha. La Bible en Malgache Raha tena olon-dratsy i Gileada dia ho tonga zava-poana tokoa izy. Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra; koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bava asa any an-tsaha. |
Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho! Mandehana mandositra any amin’ny anadahiko any Haràna.
Avelao hoentiko ireo vady aman-janako, izay antony nanompoako anao. Aoka aho handeha, satria efa fantatrao avokoa ireo asa efa nataoko ho anao!
Efa roapolo taona izao no nanompoako anao: efatra ambin’ny folo taona no niasako mba hanambadiako ny zanakao roa vavy, ary enin-taona mba hahazoako ondry aman’osy, saingy efa impolo kely ianao no nanova ny karamako.
Na dia mivaro-tena aza ianao, ry Israely, dia aoka tsy hanota toy izany koa i Joda. Aza mankany Gilgala na miakatra any Bety-Avena ianao; ary aza mianiana hoe: «Velona ny TOMPO...!»
Ary samy hiteny eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo ianareo ka hanao hoe: «Aramianina mpanjenjena ilay razambeko; nidina nankany Ejipta izy, dia nivahiny tany niaraka tamin’olom-bitsy; ka tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.