Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 11:7 - DIEM PROTESTANTA

Minia miodina amiko ny vahoakako; ary antsoina mba hanatona Ahy ilay Avo izy fa tsy misy mety miainga izy rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Minia mikomy Amiko ny oloko; ary na dia antsoina ho amin’ny Avo aza izy dia tsy misy mety mitsangana akory.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Minia miodina amiko ny vahoakako; ary antsoina mba hanatona Ahy ilay Avo izy fa tsy misy mety miainga izy rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Efa tapa-kevitra ny hisaraka amiko ny vahoakako; nisy niantso azy any ambony, nefa tsy misy miandrandra maso akory izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Minia miodina amiko ny oloko; Ary na dia antsoiny ho amin’ny Avo aza izy, Samy tsy mety miainga akory.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Minia miodina amiko ny oloko; Ary na dia antsoiny ho amin'ny Avo aza izy, samy tsy mety miainga akory.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Minia mikomy Amiko ny oloko; ary na dia antsoina ho amin’ny Avo aza izy dia tsy misy mety mitsangana akory.

Jereo ny toko



Hosea 11:7
18 Rohy Ifampitohizana  

satria Izaho no TOMPO Andriamanitrareo Izay nampiakatra anareo hiala tany Ejipta! Atanatanao ny vavanareo, dia hofenoiko.»


Ny mpaniasia ho tsiravin’ny vokatry ny toetrany; fa ny tsara fanahy kosa ho ambony noho izy.


Fa raha amindrana fo ny olon-dratsy, dia tsy hahatakatra ny fahamarinana, fa hamilivily ny rariny eto an-tany ka tsy hahita ny fiandrianan’ny TOMPO.


TOMPO ô, miampanga anay ny fahadisoanay; nefa miasà Ianao ho voninahitry ny anaranao. Niodina taminao matetika izahay; taminao no nanotanay.


Aoka ho voasazy ianao noho ny ratsy nataonao ary hofaizina noho ny fivadihanao! Ho fantatrao amin’izay fa mangidy sy ratsy ny nandaozanao Ahy TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy anajanao Ahy intsony, hoy ny teny hentitry ny Tompo, ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.


Fa mbola niteny tamiko indray ny TOMPO hoe: –Toa marimarina ihany i Israely mpiodina raha miohatra amin’i Joda mpivadika.


Hatry ny nialan’ny razanareo tany Ejipta ka mandraka androany, dia tsy nitsahatra Aho naniraka ny mpaminany mpanompoko rehetra tany aminareo isan’andro tsy tapaka.


Nefa tsy nihaino Ahy ianareo sady tsy niraharaha Ahy fa nanamafy hatoka sy nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza.


Koa nahoana àry ity vahoaka ity, no niodina, ry Jerosalema, ka mikiribiby amin’izany fiodinany izany? Mifikitra amin’ny andriamani-tsiizy izy ka tsy mety miverina amiko.


Nefa arakaraka ny niantsoako azy no vao mainka nanalavirany Ahy. Nanatitra sorona ho an’i Bahala izy ary nandoro vovo-javamanitra ho an’ny sampy.


Tsy i Asiria no hahavonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay; ary tsy amin’ny sampy asan-tananay intsony no hitenenanay hoe: ‹Ry Andriamanitray ô!›; fa Ianao no mamindrafo amin’ny kamboty.»


Fa mafy hatoka toy ny ombivavy tsy mety ziogaina i Israely. Koa nahoana ny TOMPO no hitondra azy toy ny zanak’ondry andrasana eny an-kijana?


Raha misy ny fiverenany, dia tsy ho amiko ilay Avo izany; fa mandiso fanantenana tahaka ny tsipîka ketraka izy. Ho lavon-tsabatra ny mpifehy azy noho ny fitsaontsaom-bavany; izany no handatsana azy any Ejipta!