I Hama rain’i Kanahàna, rehefa nahita ny fitanjahan-drainy, dia lasa nampandre ireo rahalahiny roa tao ivelany.
Genesisy 9:23 - DIEM PROTESTANTA Nalain’i Sema sy i Jafeta ny lamba ka nentiny an-tsoroka, ary nanao dia mianòtra izy mirahalahy ka nandrakotra ny fitanjahan-drainy. Fa nitodika nijery tany an-kafa ireo ka tsy nahita ny fitanjahan-drainy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa naka lamba i Sema sy i Jafeta ka noentin’izy mirahalahy teo an-tsorony io, ary nanao dia mianòtra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ny rainy; ary ny tavany dia tsy nanatrika ka tsy hitany ny fitanjahan’ny rainy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nalain’i Sema sy i Jafeta ny lamba ka nentiny an-tsoroka, ary nanao dia mianòtra izy mirahalahy ka nandrakotra ny fitanjahan-drainy. Fa nitodika nijery tany an-kafa ireo ka tsy nahita ny fitanjahan-drainy. Baiboly Katolika Fa noraisin’i Sema sy i Jafeta kosa ny lamba, nasampiny tamin’ny sorony, dia nanao dia mianòtra izy, ka nandrakotra ny fitanjahan-drainy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nalain’i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin’izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan’ny rainy. Malagasy Bible Ary nalain'i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin'izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan'ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan'ny rainy. La Bible en Malgache Fa naka lamba i Sema sy i Jafeta ka noentin’izy mirahalahy teo an-tsorony io, ary nanao dia mianòtra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ny rainy; ary ny tavany dia tsy nanatrika ka tsy hitany ny fitanjahan’ny rainy. |
I Hama rain’i Kanahàna, rehefa nahita ny fitanjahan-drainy, dia lasa nampandre ireo rahalahiny roa tao ivelany.
Ary nony efa nisava ny hamamoan’i Noà, ka fantany izay nataon’ny zanany faralahy taminy,
«Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro iainana ianao eo amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrao ho anao.
«Mitsangàna ianao raha manoloana ny olona efa antitra ho fanomezam-boninahitra azy; izany no hanehoanao fanajana Ahy Andriamanitrao. Izaho no TOMPO.
Aloavy amin’ny olona rehetra izay tokony haloha aminy avy: ny hetra amin’izay tokony handoavan-ketra, ny fadintseranana amin’izay tokony handoavam-padintseranana. Atahory izay tokony hatahorana; hajao izay tokony hohajaina.
Ry havana, raha misy olona sendra latsaka amin’ny hadisoana, dia aoka ianareo izay manana ny Fanahy Masina hanarina azy amim-pahalemem-panahy; ary aoka hitandrin-tena koa ianao fandrao voataona amin’ny ratsy.
Aza levilevena ny lehilahy efa zokiolona fa anaro toy ny rainao izy; ny zatovolahy, ento toy ny rahalahy;
Aoka ny loholona tsara fitondra ny Fiangonana handray valin-kasasarana avo roa heny, indrindra fa ireo mikely aina amin’ny fitorian-teny sy ny fampianarana.
Hajao ny olona rehetra, tiavo ireo havana iray finoana; matahora an’Andriamanitra, manajà ny filoham-pirenena.
Fa indrindra indrindra, mifankatiava fatratra, satria ny fitiavana no mikosoka ny fahotana maro niavosa.