Izao no tantaran’i Noà: i Noà dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny tamin’ireo mpiara-belona taminy, fa niara-nandeha tamin’Andriamanitra.
Genesisy 9:21 - DIEM PROTESTANTA Nisotro divay izy ka mamo ary nitanjaka tao an-dainy; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nisotro divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ny tranolainy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisotro divay izy ka mamo ary nitanjaka tao an-dainy; Baiboly Katolika Nony nisotro divay dia mamo sy niboridana nanary lamba tao an-dainy izy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nisotro tamin’ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ny lainy. Malagasy Bible Ary nisotro tamin'ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin'ny lainy. La Bible en Malgache Ary nisotro divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ny tranolainy. |
Izao no tantaran’i Noà: i Noà dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny tamin’ireo mpiara-belona taminy, fa niara-nandeha tamin’Andriamanitra.
Ny divay mahatonga ho mpaniratsira, ny toaka mahatonga ho mpitabataba, koa izay mimamo amin’izany tsy ho hendry.
Eto ambonin’ny tany manko dia tsy misy olo-marina izay manao ny tsara kanefa tsy diso.
Aoka isika hahay hitondra tena tsara toy ny amin’ny antoandro, ka hifady ny fanaranam-po sy ny fidorohana, ny fijangajangana sy ny fihetsika tsy maotina, ny adiady sy ny fifampialonana.
Koa amin’izany, izay manao ny tenany ho mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina sao lavo.
fialonana, fidorohana, fihinanam-be loatra, sy ny mitovy amin’izany. Ary lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao toy izany dia tsy hanana anjara amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.
Anaro ny lehilahy zokiolona mba hahalala onony amin’ny fisotro, ho maotina, hahafehy tena, tsy hisy tomika amin’ny finoana, amin’ny fitiavana, amin’ny faharetana.
Koa manoro hevitra anao Aho: hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, mba hanan-karena ianao; hividy amiko akanjo fotsy hiakanjoanao, mba tsy hisehoan’ny fitanjahanao mahamenatra; ary hividy amiko fanafody maso hahosotra ny masonao, mba hahiratra ianao.