Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 8:9 - DIEM PROTESTANTA

Kanefa tsy nahita izay hametrahany ny tongony ilay voromahailala, ka niverina tany amin’i Noà teny an-tsambofiara, satria mbola feno rano tambonin’ny tany tontolo. Dia naninjitra ny tanany i Noà ka nandray ilay voromahailala ary nampiditra azy tao anaty sambofiara.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa tsy hitan’ilay voromailala izay hipetrahan’ny faladiany ka niverina tany amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara izy satria mbola nisy rano teo ambonin’ny tany manontolo. Ary nanatsotra ny tanany i Noa ka nandray azy izy ary nampiditra azy ho ao aminy tao anatin’ny sambofiara.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Kanefa tsy nahita izay hametrahany ny tongony ilay voromahailala, ka niverina tany amin’i Noà teny an-tsambofiara, satria mbola feno rano tambonin’ny tany tontolo. Dia naninjitra ny tanany i Noà ka nandray ilay voromahailala ary nampiditra azy tao anaty sambofiara.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tsy nahita izay hipetrahan’ny faladiany anefa ny voromahailala, ka niverina nankeo amin’i Nôe teo amin’ny sambo fiara, fa mbola nisy rano hatraiza hatraiza tambonin’ny tany. Dia naninjitra ny tanany izy ka nandray azy sy nampiditra azy ho ao aminy, ao anatin’ny sambo fiara.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa tsy hitan’ilay voromailala izay hipetrahan’ny faladiany, dia niverina tamin’i Noa tao anatin’ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin’ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin’ny sambo-fiara.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa tsy hitan'ilay voromailala izay hipetrahan'ny faladiany, dia niverina tamin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin'ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin'ny sambo-fiara.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa tsy hitan’ilay voromailala izay hipetrahan’ny faladiany ka niverina tany amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara izy satria mbola nisy rano teo ambonin’ny tany manontolo. Ary nanatsotra ny tanany i Noa ka nandray azy izy ary nampiditra azy ho ao aminy tao anatin’ny sambofiara.

Jereo ny toko



Genesisy 8:9
8 Rohy Ifampitohizana  

Mbola niandry herinandro izy vao nandefa ilay voromahailala fanindroany.


Dia nandefa voromahailala iray koa izy mba hahitany na efa nihena ny rano teny ambonin’ny tany na tsia.


«Milamîna indray, ry fanahiko, fa ny TOMPO efa nanisy soa anao».


Iza àry ireto olona ireto? Manidina toy ny rahona na toy ny voromahailala mody any an-tranony ireto?


Handositra any an-tendrombohitra izay sisa velona; ka samy hitoloko toy ny voromahailala an-dohasaha izy rehetra noho ny heloka nataony.


Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra torovana sy vesaran’ny lalàna, fa Izaho no hanome fialan-tsasatra anareo.


Izany no voalazako taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amin’ny firaisana amiko. Eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa mahereza, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao!


Any amin’ireo firenena ireo dia tsy hisy hilaminanareo ary tsy hisy toerana hahazoanareo miorim-ponenana; fa any kosa dia fo manahy sy maso jambena ary fanahy kivy no homen’ny TOMPO anareo.