Dia nandefa goaika anankiray izy, nefa niverimberina nivoaka sy niditra io mandra-paharîtran’ny rano teny ambonin’ny tany.
Genesisy 8:8 - DIEM PROTESTANTA Dia nandefa voromahailala iray koa izy mba hahitany na efa nihena ny rano teny ambonin’ny tany na tsia. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia namoaka voromailala iray izay teo aminy izy, hahitany na efa kely ny rano tetỳ ambonin’ny tany na tsia. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nandefa voromahailala iray koa izy mba hahitany na efa nihena ny rano teny ambonin’ny tany na tsia. Baiboly Katolika Ny voromahailala indray no nalefany hiala teo aminy, hahitany na efa nihena ny rano tambonin’ny tany na tsia. Baiboly Protestanta Malagasy Dia namoaka voromailala anankiray izay teo aminy izy, hizahany na efa kely ny rano tambonin’ny tany, na tsia. Malagasy Bible Dia namoaka voromailala anankiray izay teo aminy izy, hizahany na efa kely ny rano tambonin'ny tany, na tsia. La Bible en Malgache Dia namoaka voromailala iray izay teo aminy izy, hahitany na efa kely ny rano tetỳ ambonin’ny tany na tsia. |
Dia nandefa goaika anankiray izy, nefa niverimberina nivoaka sy niditra io mandra-paharîtran’ny rano teny ambonin’ny tany.
Kanefa tsy nahita izay hametrahany ny tongony ilay voromahailala, ka niverina tany amin’i Noà teny an-tsambofiara, satria mbola feno rano tambonin’ny tany tontolo. Dia naninjitra ny tanany i Noà ka nandray ilay voromahailala ary nampiditra azy tao anaty sambofiara.
Tsara tarehy ianao, rahavako, eny, tsara tarehy ianao; ny masonao dia mahafinaritra tahaka ny voromahailala.
E ry voromahailalako mitoetra eny an-tsefatsefa-bato sy miery eny amin’ny hantsana, mba asehoy ahy ny endrikao ary ampandreneso ahy ny feonao, fa mamy ny feonao ary soa ny endrikao.»
–Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia. Noho izany, aoka ho malina tahaka ny bibilava ianareo, ary aoka ho tsotra tahaka ny voromahailala.