Genesisy 8:4 - DIEM PROTESTANTA Ary tamin’ny volana fahafito, andro faha-17, dia niantsona teo an-tendrombohitr’i Ararata ny sambofiara. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nipetraka teo amin’ny tendrombohitra any Ararata ny sambofiara tamin’ny andro fahafito amby folo tamin’ny volana fahafito. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary tamin’ny volana fahafito, andro faha-17, dia niantsona teo an-tendrombohitr’i Ararata ny sambofiara. Baiboly Katolika Ary tamin’ny volana fahafito, andro fahafito ambin’ny folon’ny volana, dia niantsona teo ambonin’ny tendrombohitra Ararata ny sambo fiara. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nipetraka teo amin’ny tendrombohitra any Ararata ny sambo-fiara tamin’ny andro fahafito ambin’ny folo tamin’ny volana fahafito. Malagasy Bible Dia nipetraka teo amin'ny tendrombohitra any Ararata ny sambo-fiara tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana fahafito. La Bible en Malgache Dia nipetraka teo amin’ny tendrombohitra any Ararata ny sambofiara tamin’ny andro fahafito amby folo tamin’ny volana fahafito. |
Dia mbola nihena hatrany ihany ny rano hatramin’ny volana fahafolo. Ka tamin’ny andro voalohan’ny volana fahafolo, dia tazana ny tampon’ireo tendrombohitra.
Indray andro raha sendra nivavaka tamin’i Nisrôka andriamaniny izy, dia matin’i Adramelèka sy i Saretsera zanany lahy tamin’ny sabatra; avy teo dia nandositra nankany amin’ny tany Ararata izy roa lahy. Ary i Hesara-Hadôna zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Kanjo raha iny izy niankohoka tao amin’ny tempolin’i Nisrôka andriamaniny iny indrindra, no avy namono azy tamin’ny sabatra ny zanany roa lahy, dia i Adramelèka sy i Saretsera; avy eo lasa nandositra any amin’ny tany Ararata izy mirahalahy fa i Esara-Hadôna zanakalahin’i Saneheriba no nanjaka nandimby azy.
Atsangano ny fanevam-panairana eo amin’ny tany, tsofy any amin’ny firenen-kafa ny anjomara; entano ny firenena rehetra hamely an’i Babilôna, antsoy hamely azy ny fanjakana any Ararata sy Menỳ ary Askenaza. Manendre mpifehy hamory miaramila; soavaly marobe no alefaso hanafika toy ny valala manao andiany.