Genesisy 8:11 - DIEM PROTESTANTA Fa niverina tany amin’i Noà ilay voromahailala, nony hariva, ka hita nitondra ravin’ôliva maitso teny am-bavany. Dia fantatr’i Noà tamin’izany fa efa nihena ny rano tambonin’ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro ary indro, nisy ravin’oliva maitso teo am-bavany! Izany no nahafantaran’i Noa fa efa kely ny rano teny ambonin’ny tany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa niverina tany amin’i Noà ilay voromahailala, nony hariva, ka hita nitondra ravin’ôliva maitso teny am-bavany. Dia fantatr’i Noà tamin’izany fa efa nihena ny rano tambonin’ny tany. Baiboly Katolika Ary niverina nankeo aminy ny voromahailala nony harivariva, ary indro ravin’ôliva nilenodenoka anankiray teny am-bavany, ka fantatr’i Nôe fa efa tsy voasaron’ny rano intsony ny tany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin’oliva maitso teo am-bavany; izany no nahafantaran’i Noa fa efa kely ny rano tambonin’ny tany. Malagasy Bible Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin'oliva maitso teo am-bavany; izany no nahafantaran'i Noa fa efa kely ny rano tambonin'ny tany. La Bible en Malgache Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro ary indro, nisy ravin’oliva maitso teo am-bavany! Izany no nahafantaran’i Noa fa efa kely ny rano teny ambonin’ny tany. |
Dia mbola niandry herinandro indray izy vao nandefa ilay voromahailala izay tsy niverina intsony kosa.
Izany fankalazana izany koa dia tokony hampandrenesina ny olona ka hanaovana antso avo mitety an’i Jerosalema sy ny tanàna rehetra: hasaina mandeha any an-tendrombohitra ny olona haka sampan’ôliva volena na maniry ho azy, sampan-drotra, sampan-drofia, ary sampan-kazo be ravina mba hanaovana tranotomboka.
Ary hatao ahoana no fitoriteny, raha tsy nirahina? Araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Endrey, tsara izany mahita ireo mpitondra Vaovao Mahafaly tonga hanambara teny soa!»