Nantsoin’i Jôsefa hoe Manase ny lahimatoa, fa hoy izy hoe «Nampanadinoin’Andriamanitra ahy ny fahoriako rehetra mbamin’izay rehetra any an-tranon’ny raiko.»
Genesisy 48:13 - DIEM PROTESTANTA Noraisiny tamin’ny tanany havanana i Efraîma ka narosony ho eo an-kavian’i Jakôba, ary noraisiny tamin’ny tanany havia kosa i Manase mba ho eo an-kavanan’i Jakôba, dia nampanatoniny an-draibeny indray izy mirahalahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia notantanan’i Josefa izy mirahalahy: I Efraima, tamin’ny tanany havanana, ho eo ankavian’Israely, ary i Manase tamin’ny tanany havia, ho eo amin’ny ankavanan’Israely, ka noentiny nanatona azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Noraisiny tamin’ny tanany havanana i Efraîma ka narosony ho eo an-kavian’i Jakôba, ary noraisiny tamin’ny tanany havia kosa i Manase mba ho eo an-kavanan’i Jakôba, dia nampanatoniny an-draibeny indray izy mirahalahy. Baiboly Katolika dia noraisin’i Josefa izy mirahalahy, i Efraima tamin’ny ankavanany, ho eo ankavian’i Israely; ary i Manase tamin’ny ankaviany, ho eo ankavanan’i Israely, dia nampandrosoiny izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Dia notantanan’i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin’ny ankavanany ho eo amin’ny ankavian’Isiraely, ary Manase tamin’ny ankaviany ho eo amin’ny ankavanan’Isiraely, ka nentiny nanatona azy. Malagasy Bible Dia notantanan'i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin'ny ankavanany ho eo amin'ny ankavian'Isiraely, ary Manase tamin'ny ankaviany ho eo amin'ny ankavanan'Isiraely, ka nentiny nanatona azy. La Bible en Malgache Dia notantanan’i Josefa izy mirahalahy: I Efraima, tamin’ny tanany havanana, ho eo ankavian’Israely, ary i Manase tamin’ny tanany havia, ho eo amin’ny ankavanan’Israely, ka noentiny nanatona azy. |
Nantsoin’i Jôsefa hoe Manase ny lahimatoa, fa hoy izy hoe «Nampanadinoin’Andriamanitra ahy ny fahoriako rehetra mbamin’izay rehetra any an-tranon’ny raiko.»
Tany Ejipta i Jôsefa dia niteraka zanaka roa lahy, i Manase sy i Efraîma, tamin’i Asenata vadiny, izay zanakavavin’i Pôtifera mpisorona tao Ona.
Nanaisotra azy mirahalahy teo an-dohalik’i Jakôba i Jôsefa, dia niankohoka tamin’ny tany.
Fa nampifamadihin’i Jakôba ny tanany, ka ny tanany havanana no napetrany teo amin’ny lohan’i Efraîma na dia zandriny aza io; fa ny tanany havia kosa no napetrany teo amin’ny lohan’i Manase, kanefa izy io no lahimatoa.