Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 45:6 - DIEM PROTESTANTA

Efa roa taona izao no nisian’ny mosary teto amin’ny tany Ejipta, kanefa ato anatin’ny dimy taona dia tsy mbola hisy ny fiasan-tany na fijinjana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Roa taona izao no nisian’ny mosary teto amin’ny tany; mbola hisy dimy taona koa tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Efa roa taona izao no nisian’ny mosary teto amin’ny tany Ejipta, kanefa ato anatin’ny dimy taona dia tsy mbola hisy ny fiasan-tany na fijinjana.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa efa roa taona izao no nisian’ny mosary amin’ity tany ity; ary mbola dimy taona koa no tsy hiasàn-tany, na hijinjàna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa roa taona izao no efa nisian’ny mosary teto amin’ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa roa taona izao no efa nisian'ny mosary teto amin'ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Roa taona izao no nisian’ny mosary teto amin’ny tany; mbola hisy dimy taona koa tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.

Jereo ny toko



Genesisy 45:6
13 Rohy Ifampitohizana  

Toy izao no tantaran’ny ankohonan’i Jakôba: Rehefa fito ambin’ny folo taona i Jôsefa, dia niandry ondry niaraka tamin’ireo rahalahiny; fa izy dia zaza niaraka tamin’ny zanakalahin’i Bilehà sy i Zilpà, vadikelin-drainy. Ary taterin’i Jôsefa amin-drainy avokoa ny ratsy lazaina momba ireo rahalahiny.


Aoka hangonin’ireo ny sakafo mandritra ny fito taona ho avy, ka hotahiriziny eo ambany fiahianao ny vary ho fiandry any amin’ny isan-tanàna.


Telopolo taona i Jôsefa raha nentina teo anatrehan’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta. Ary niala teo anatrehan’ny Farao izy ka nandeha namakivaky ny tany Ejipta manontolo.


Nifarana ny fito taona zina tany Ejipta;


ary nanomboka kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa voalazan’i Jôsefa. Nihatra tamin’ny tany rehetra ny mosary; fa nanerana an’i Ejipta kosa nisy tahirim-bokatra.


Ary rehefa nanenika an’i Ejipta manontolo ny mosary, dia nasain’i Jôsefa novohana ny fitahirizam-bokatra mba hivarotana vary amin’ny Ejiptianina, satria namely mafy ny mosary manerana an’i Ejipta.


Nony afaka herintaona dia niverina tany amin’i Jôsefa indray ny olona ka niteny taminy hoe: –Tsy afeninay aminao, tompoko, fa tsy manam-bola intsony izahay, ary ireo biby fiompinay dia efa lasanao. Koa tsy misy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay no sisa eto anatrehanao.


Dia hoy i Jôsefa tamin’ny vahoaka: –Ankehitriny efa voavidiko ho an’ny Farao ny tenanareo sy ny taninareo, koa homeko masom-boly ianareo hafafinareo any amin’ny taninareo.


«Manana andro enina isan-kerinandro ianareo hiasanareo, fa amin’ny andro fahafito dia hitsahatra amin’ny raharahanareo ianareo na dia amin’ny fotoam-pamafazana sy fijinjana aza.


Ny omby sy boriky miasa tany dia hihinana vilona voaisy sira sady voaparitaka amin’ny farango fikororohana.


ka ireo ihany no hitondra azy midina amina-lohasaha tsy voaasa na voafafy sady misy renirano tsy ritra; ary ao anatin’io renirano io no hamolahan’ireto loholona ny vozon’ilay vantotr’ombivavy.


ny sasany hataony manamboninahitra mpibaiko rezimanta na vondron-tafika. Ny hafa hataony mpiasa ny taniny sy mpijinja ny vokany, na koa mpanefy fiadiana sy fitaovana momba ny kalesy.