Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 45:13 - DIEM PROTESTANTA

Koa mandehana tantarao avokoa amin’i dada ny voninahitro eto Ejipta mbamin’ny zavatra rehetra efa hitanareo, ary ento faingana midina atỳ i dada.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hambaranareo amin’Ikaky ny voninahitro rehetra atỳ Ejipta sy izay rehetra hitanareo. Koa mandehana haingana ianareo ka ento midina atỳ Ikaky.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa mandehana tantarao avokoa amin’i dada ny voninahitro eto Ejipta mbamin’ny zavatra rehetra efa hitanareo, ary ento faingana midina atỳ i dada.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Koa tantarao amin’ikaky ny voninahitro rehetra aty Ejipta sy izay rehetra efa hitanareo; ary ataovy izay hidinan’ikaky faingana ho aty.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia hambaranareo amin’ikaky ny voninahitro rehetra atỳ Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana hianareo, ka ento midina atỳ ikaky.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia hambaranareo amin'ikaky ny voninahitro rehetra atỳ Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana ianareo, ka ento midina atỳ ikaky.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hambaranareo amin’Ikaky ny voninahitro rehetra atỳ Ejipta sy izay rehetra hitanareo. Koa mandehana haingana ianareo ka ento midina atỳ Ikaky.

Jereo ny toko



Genesisy 45:13
5 Rohy Ifampitohizana  

Ary indro hitan’ny masonareo sy ny mason’i Benjamîna rahalahiko izao fa ny vavako mihitsy no manambara aminareo.


Ray ô, tiako hiaraka amiko any amin’izay misy Ahy ireo nomenao Ahy mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy noho Ianao efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao.


Dia nampanalain’i Jôsefa i Jakôba rainy mbamin’ny ankohonany manontolo izay nisy olona 75 mianaka.


Ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra ao aminy: fa ny voninahitr’Andriamanitra no efa manazava azy, ary ny Zanakondry no jiro manilo azy.