Andriamanitra Tsitoha anie hahatonga azy hamindra fo aminareo ka hamela an’i Benjamîna sy i Simehôna hiverina hiaraka aminareo! Fa izao dia tsy hombàn-janaka aho tahaka ny tsy nanan-janaka mihitsy.
Genesisy 44:12 - DIEM PROTESTANTA Nosavain-dralehilahy avokoa ny kitapo rehetra nanomboka tamin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra, ka tao amin’ny kitapon’i Benjamîna no nahitana ilay tsangambava. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nisava Ralehilahy ka tamin’ny lahimatoa no nanombohany ary tamin’ny faralahy no niafarany. Tao amin’ny lasakan’i Benjamina no nahitana ilay kapoaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nosavain-dralehilahy avokoa ny kitapo rehetra nanomboka tamin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra, ka tao amin’ny kitapon’i Benjamîna no nahitana ilay tsangambava. Baiboly Katolika Ary nikaroka ny mpikarakara nanomboka tamin’ny zokiny indrindra, dia niafara tamin’ny zandriny indrindra, ka hita tao amin’ny lasàkan’i Benjamina ilay kôpy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nikaroka fatratra ralehilahy, ka tamin’ny lahimatoa no nanombohany, ary tamin’ny faralahy no niafarany, ka tao amin’ny lasakan’i Benjamina no nahitana ilay kapoaka. Malagasy Bible Dia nikaroka fatratra ralehilahy, ka tamin'ny lahimatoa no nanombohany, ary tamin'ny faralahy no niafarany, ka tao amin'ny lasakan'i Benjamina no nahitana ilay kapoaka. La Bible en Malgache Dia nisava Ralehilahy ka tamin’ny lahimatoa no nanombohany ary tamin’ny faralahy no niafarany. Tao amin’ny lasakan’i Benjamina no nahitana ilay kapoaka. |
Andriamanitra Tsitoha anie hahatonga azy hamindra fo aminareo ka hamela an’i Benjamîna sy i Simehôna hiverina hiaraka aminareo! Fa izao dia tsy hombàn-janaka aho tahaka ny tsy nanan-janaka mihitsy.
Nipetraka nanoloana an’i Jôsefa arakara-jokiny ireo rahalahin’i Jôsefa, manomboka amin’ny lahimatoa ka miafara amin’ny faralahy. Dia nifampijerijery ireo sady gaga.
Samy nampidina faingana ny kitapony tamin’ny tany avy izy ireo ary samy nanokatra ny azy.
Apetraho eo am-bava-kitapon’ilay faralahy koa ny tsangambavako volafotsy mbamin’ny vola hividianany vary. Dia notanterahiny tokoa izay nandidian’i Jôsefa azy.