Ary nony mby teo amin’ny toerana handriany hariva izy ireo, dia nosokafan’ny anankiray ny kitapony mba hanomezany sakafo ho an’ny borikiny, nefa indro ny volany hitany teo am-bavan’ny kitapo.
Genesisy 44:11 - DIEM PROTESTANTA Samy nampidina faingana ny kitapony tamin’ny tany avy izy ireo ary samy nanokatra ny azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia samy nampidina haingana ny lasakany tamin’ny tany izy rehetra ka samy nanokatra ny lasakany avy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Samy nampidina faingana ny kitapony tamin’ny tany avy izy ireo ary samy nanokatra ny azy. Baiboly Katolika Koa samy nampidina faingana ny lasàkany tamin’ny tany izy ireo, dia samy nanokatra ny lasàkany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary samy nampidina faingana ny lasakany tamin’ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany avy. Malagasy Bible Ary samy nampidina faingana ny lasakany tamin'ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany avy. La Bible en Malgache Dia samy nampidina haingana ny lasakany tamin’ny tany izy rehetra ka samy nanokatra ny lasakany avy. |
Ary nony mby teo amin’ny toerana handriany hariva izy ireo, dia nosokafan’ny anankiray ny kitapony mba hanomezany sakafo ho an’ny borikiny, nefa indro ny volany hitany teo am-bavan’ny kitapo.
Ka hoy ralehilahy: –Eny àry, fa hotanako amin’ny teninareo ianareo; kanefa izay ahitana ny tsangambava ihany no ho tonga andevoko, fa ny sisa kosa dia ho afaka.
Nosavain-dralehilahy avokoa ny kitapo rehetra nanomboka tamin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra, ka tao amin’ny kitapon’i Benjamîna no nahitana ilay tsangambava.