Dia natolotr’ilay lehiben’ny fonja teo an-tanan’i Jôsefa avokoa ireo mpigadra rehetra, ka izy no mitarika ny asa rehetra nataon’ireo mpigadra.
Genesisy 41:41 - DIEM PROTESTANTA Jereo fa efa nomeko anao ny fahefana amin’i Ejipta manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy koa i Farao tamin’i Josefa: Indro, manendry anao hanapaka amin’ny tany Ejipta rehetra aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Jereo fa efa nomeko anao ny fahefana amin’i Ejipta manontolo. Baiboly Katolika Ary hoy i Faraôna tamin’i Josefa: «Indro atsangako hanapaka ny tany Ejipta rehetra ianao.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy indray Farao tamin’i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho. Malagasy Bible Ary hoy indray Farao tamin'i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho. La Bible en Malgache Hoy koa i Farao tamin’i Josefa: Indro, manendry anao hanapaka amin’ny tany Ejipta rehetra aho. |
Dia natolotr’ilay lehiben’ny fonja teo an-tanan’i Jôsefa avokoa ireo mpigadra rehetra, ka izy no mitarika ny asa rehetra nataon’ireo mpigadra.
Nanomboka hatreo, noho ny amin’i Jôsefa, dia notahîn’ny TOMPO ny tao an-tranon’ilay Ejiptianina sy izay rehetra nananany. Io fitahian’ny TOMPO io dia nanenika ny fananany rehetra na an-tsaha na an-tanàna.
Ary hoy koa ny Farao tamin’i Jôsefa: –Izaho ihany no Farao, kanefa tsy misy olona mahazo mihetsika eran’ny tany Ejipta manontolo, raha tsy mahazo lalana avy aminao.
I Jôsefa no mpitondra ny tany Ejipta, ka izy no mpivaro-bary tamin’ireo olon’ny tany hafa rehetra. Koa tonga niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’i Jôsefa ireo rahalahiny.
Tsy ianareo no nandefa ahy taty fa Andriamanitra mihitsy, ary mbola Izy ihany no nametraka ahy ho mpandraharaha faratampon’ny Farao sy ho mpanapaka izay rehetra ao an-tranon’ny Farao ary ho mpitondra an’i Ejipta manontolo.
I Môrdôkay, ilay Jiosy, no olona ambony indrindra nanarakaraka ny amperôra Kserksesa teo amin’ny fanjakana; sady nalaza sy mamy hoditra izy teo amin’ny Jiosy rehetra mpiray firenena aminy, noho izy nitady hahasoa ny fireneny sy nanao didy hiadanan’ny olona rehetra iray firazanana aminy.
Ny mpanompo hendry hisolongona ny zanaka manala baràka, ka handray anjara lova eo amin’ny mpirahalahy.
Jereo io olona manao tsara ny asany io: ho afa-miasa eo anatrehan’ny mpanjaka izy toy izay ho mpiasa tsy misy mpahalala.
Ary na dia tao an-tranomaizina aza no nivoahan’ilay tovolahy mba hanjaka, na koa nateraka ho mpangataka aza izy any amin’izay hanjakàny.
Tamin’izay ny mpanjaka dia nanandratra an’i Daniela ka nanome azy zava-tsarobidy marobe ary nanendry azy ho mpifehy amin’ny faritanin’i Babilôna manontolo sy ho lehiben’ireo olon-kendry rehetra ao Babilôna.
Ary teo ambonin’ireo dia nisy telo lahy mpitantan-draharaha, ka i Daniela ny anankiray; izy telo lahy no hanaovan’ireo solotenan’andriamanjaka tatitra mba tsy hisy hanimba ny tombon-tsoan’ny mpanjaka.
Dia nanatona azy rehetra i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Efa nomena Ahy avokoa ny fahefana any an-danitra sy etỳ an-tany;
ka nafahany tamin’ny fahoriana rehetra ary nataony mamy hoditra sy nomeny fahendrena teo anatrehan’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta. Dia notendren’ny Farao ho mpifehy an’i Ejipta sy ny tao an-dapany rehetra i Jôsefa.