Taorian’izany zavatra izany dia nanao fahadisoana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny lehiben’ny mpanao mofo.
Genesisy 40:11 - DIEM PROTESTANTA Teny an-tanako ny tsangambavan’ny Farao ary notazako ny voaloboka, ka nofiazako tao; dia natolotro teo an-tanan’ny Farao ilay tsangambava. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Teny an-tanako ny kapoakan’i Farao. Nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin’ny kapoakan’i Farao, dia natolotro teo an-tanan’i Farao ny kapoaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Teny an-tanako ny tsangambavan’ny Farao ary notazako ny voaloboka, ka nofiazako tao; dia natolotro teo an-tanan’ny Farao ilay tsangambava. Baiboly Katolika Ary teny an-tanako ny kôpin’i Faraôna, ka nalaiko ny voaloboka, nofiazako ho ao anaty kôpin’i Faraôna ny ranony, dia natolotro teo an-tanan’i Faraôna ny kôpy.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary teny an-tànako ny kapoakan’i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin’ny kapoakan’i Farao, dia natolotro teo an-tànan’i Farao ny kapoaka. Malagasy Bible Ary teny an-tanako ny kapoakan'i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin'ny kapoakan'i Farao, dia natolotro teo an-tànan'i Farao ny Kapoaka. La Bible en Malgache Teny an-tanako ny kapoakan’i Farao. Nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin’ny kapoakan’i Farao, dia natolotro teo an-tanan’i Farao ny kapoaka. |
Taorian’izany zavatra izany dia nanao fahadisoana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny lehiben’ny mpanao mofo.
Nisampana telo ilay foto-boaloboka, ka raha vao nitsimoka izy, dia namelana ary nisy voaloboka masaka an-tangozany.
Ary hoy i Jôsefa taminy: –Izao no hevitry ny nofinao: ny sampany telo dia manambara andro telo.
Ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro dia naveriny tamin’ny raharahany ka nanolotra ny tsangambava ho eo an-tanàn’ny Farao;
Hihanaka dia hihanaka ny voaloboka, ka hafatony amin’ny tahom-boaloboka ny borikiny ary amin’ny sampam-boaloboka ny zana-borikiny; divay no hanasany akanjo ary ranom-boaloboka no hanasany fitafiana.
ny sakafo teo amin’ny latabany ary ny toeram-ponenan’ireo tandapany, ny fitafian’ny mpandroso sakafo sy mpitondra divay ary koa ny sorona dorana manontolo natolony tao an-tranon’ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy
ny sakafo fihinana teo amin’ny latabany sy ny toeram-ponenan’ny tandapany ary koa ny fahamendrehana amam-pitafian’ireo mpandroso sakafo sy mpitondra divay, ny ambaratongan-tohatra izay niakaran’i Salômôna ho ao an-tranon’ny TOMPO, dia talanjona aoka izany izy
Koa mitalaho aminao aho, Tompo ô; aoka Ianao hihaino ny vavaka ataoko sy ataon’ireo mpanomponao rehetra izay faly manaja Anao. Hambininao anie aho ka hataonao mahazo famindrampo eo imason’ny amperôra! Mpandroso divay ho an’ny amperôra aho tamin’izay.
Dia ho feno vary mitafotafo ny sompitrao; ary hihoatra ny barika fanantazanao azy ny divay.
–Aza misotro divay na zava-pisotro hafa mahamamo ianao sy ny zanakao, rehefa hiditra ao an-Tranolay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo; lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo izany.