Nitombo ireo zaza, ka i Hesao dia tonga mpihaza mahay sady mpianefitra; fa i Jakôba kosa dia lehilahy bonaika, mpipetraka an-day.
Genesisy 4:20 - DIEM PROTESTANTA I Hadà dia niteraka an’i Jabala: io no razamben’ireo mpitoetra an-day miaraka amin’ny biby fiompy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Ada dia niteraka an’i Jabala; izy no rain’ny mpitoetra an-tranolay, mpiandry omby aman’ondry. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Hadà dia niteraka an’i Jabala: io no razamben’ireo mpitoetra an-day miaraka amin’ny biby fiompy. Baiboly Katolika I Adà niteraka an’i Jabela; izy no rain’ireo mpitoetra an-day sy ao afovoan’ny biby fiompy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Ada niteraka an’i Jabala; izy no rain’ny mpitoetra an-day, miandry omby aman’ondry. Malagasy Bible Ary Ada niteraka an'i Jabala; izy no rain'ny mpitoetra an-day, mpiandry omby aman'ondry. La Bible en Malgache Ary i Ada dia niteraka an’i Jabala; izy no rain’ny mpitoetra an-tranolay, mpiandry omby aman’ondry. |
Nitombo ireo zaza, ka i Hesao dia tonga mpihaza mahay sady mpianefitra; fa i Jakôba kosa dia lehilahy bonaika, mpipetraka an-day.
Nanambady anankiroa i Lamèka: ny voalohany dia natao hoe Hadà, ary ny faharoa nantsoina hoe Tsilà.
Dia mbola niteraka an’i Abela rahalahiny koa izy. Ary i Abela dia mpiandry ondry, fa i Kaina kosa mpamboly.
Nisy rahalahiny natao hoe Jobala, io no razamben’ireo rehetra mpitendry kabôsy sy mpitsoka sodina.
Ny devoly no ray niavianareo, ka ny filàndratsin’ny rainareo no satrinareo hatao. Ny devoly dia mpamono olona hatrany am-boalohany; ary tsy nitoetra tamin’ny marina izy, satria ny marina tsy ao aminy. Raha mandainga izy, dia miteny araka ny toetrany satria mpandainga izy sady rain’ny mpandainga.
Finoana no nonenany toy ny mpiavy tao amin’ny tany nampanantenain’Andriamanitra ho azy. Tranolay no nitoerany, dia izy mbamin’i Itsehàka sy i Jakôba, izay samy nandray izany fampanantenana izany.