Hampifankahalaiko ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Ny tarana-behivavy no hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombalahitongotry ny taranany.
Genesisy 4:1 - DIEM PROTESTANTA Niraisan’i Adama i Eva vadiny, ka nitoe-jaza. Dia niteraka an’i Kaina izy, ary nanao hoe: «Nahazo zazalahy noho ny amin’ny TOMPO aho.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nahalala an’i Eva vadiny i Adama; dia nanana anaka i Eva ka niteraka an’i Kaina, ary hoy izy: Nahazo zazalahy tamin’NY TOMPO aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niraisan’i Adama i Eva vadiny, ka nitoe-jaza. Dia niteraka an’i Kaina izy, ary nanao hoe: «Nahazo zazalahy noho ny amin’ny TOMPO aho.» Baiboly Katolika Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an’i Kaina, sy nanao hoe: «Efa nampisy olona anankiray aho tamin’ny fanampian’i Iaveh.» Baiboly Protestanta Malagasy ARY Adama nahalala an’i Eva vadiny; dia nanan-anaka Eva ka niteraka an’i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin’i Jehovah aho. Malagasy Bible Ary Adama nahalala an'i Eva vadiny; dia nanan'anaka Eva ka niteraka an'i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin'i Jehovah aho. La Bible en Malgache Ary nahalala an’i Eva vadiny i Adama; dia nanana anaka i Eva ka niteraka an’i Kaina, ary hoy izy: Nahazo zazalahy tamin’NY TOMPO aho. |
Hampifankahalaiko ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Ny tarana-behivavy no hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombalahitongotry ny taranany.
Rehefa avy nandroaka ny olombelona Izy, dia nametraka teo atsinanan’ny zaridaina ireo kerobima, izay mitondra sabatra misy lelafo midedadeda mba hiambina ny lalana mankany amin’ny hazon’aina.
Dia mbola niteraka an’i Abela rahalahiny koa izy. Ary i Abela dia mpiandry ondry, fa i Kaina kosa mpamboly.
Ary i Adama sy ny vadiny dia mbola nanan-janaka iray hafa koa, ka ny anarany dia nataon’i Eva hoe Seta, satria hoy izy hoe: –Nomen’Andriamanitra zanakalahy hafa indray aho ity ho solon’i Abela izay novonoin’i Kaina ho faty.
ary ny anarany nataony hoe Noà, fa hoy izy hoe: –Ity no hampionona anay amin’ny asa mafy sy ny fahasahirananay noho ny nanozonan’ny TOMPO ny tany.
Koa ankehitriny vonoy ho faty avokoa ny zaza lahy rehetra ary koa ny vehivavy rehetra efa nanambady.
Fa tsy hanao tahaka an’i Kaina izay avy amin’ilay Ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary inona no anton’ny namonoan’i Kaina azy? Dia satria ratsy ny asan’i Kaina, fa marina kosa ny an’ny rahalahiny.