Koa nasain’i Pôtifara nosamborina i Jôsefa sy nasainy nohidîna tao am-ponja izay nisy ireo mpigadra meloka tamin’ny mpanjaka. Fa raha tao am-ponja i Jôsefa,
Genesisy 39:23 - DIEM PROTESTANTA Koa ilay lehiben’ny fonja dia tsy niraharaha na inona na inona tamin’ny zavatra rehetra nankininy tamin’i Jôsefa, satria ny TOMPO nomba azy ka nanambina izay nataony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy mba nikarakara na inona na inona intsony tamin’izay teo am-pelatanany ny mpiambina ny tranomaizina, satria NY TOMPO nomba an’i Josefa, ary izay nataony dia nambinin’NY TOMPO. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa ilay lehiben’ny fonja dia tsy niraharaha na inona na inona tamin’ny zavatra rehetra nankininy tamin’i Jôsefa, satria ny TOMPO nomba azy ka nanambina izay nataony. Baiboly Katolika Tsy nokarakarain’ny mpitandrina ny tranomaizina intsony izay rehetra mby an-tanan’i Josefa fa nomban’i Iaveh izy sady nomban’i Iaveh tamin’izay rehetra nataony. Baiboly Protestanta Malagasy Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an’i Josefa, ary izay nataony dia nambinin’i Jehovah. Malagasy Bible Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah. La Bible en Malgache Tsy mba nikarakara na inona na inona intsony tamin’izay teo am-pelatanany ny mpiambina ny tranomaizina, satria NY TOMPO nomba an’i Josefa, ary izay nataony dia nambinin’NY TOMPO. |
Koa nasain’i Pôtifara nosamborina i Jôsefa sy nasainy nohidîna tao am-ponja izay nisy ireo mpigadra meloka tamin’ny mpanjaka. Fa raha tao am-ponja i Jôsefa,
Fa hoy ny navalin’i Jôsefa azy: –Sanatria! Napetraky ny tompoko eo an-tanako avokoa ny fitandremana ny fananany rehetra ary matoky manana ahy izy ka tsy mikarakara na inona na inona intsony ato an-trano.
Toy ny hazo nambolena eo amoron-drenirano izy, izay mamoa ara-potoana sady tsy malazo ravina, ka dia mahomby avokoa ny asa rehetra ataony.
Raha mamakivaky ny rano ianao, dia homba anao Aho; raha miampita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao ireny; raha mandeha eo anivon’ny afo ianao, dia tsy ho may akory fa tsy handoro anao ny lelafo.
Noho izany, ny TOMPO Andriamanitr’i Israely dia miteny hentitra hoe: Efa nampanantenaiko fa ny fianakavianao sy ny tera-drainao no ho mpisoroko mandrakizay; nefa ankehitriny dia laviko tanteraka, teny hentitra avy amiko izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manimbazimba Ahy no ho afa-baràka.