Koa nasain’i Pôtifara nosamborina i Jôsefa sy nasainy nohidîna tao am-ponja izay nisy ireo mpigadra meloka tamin’ny mpanjaka. Fa raha tao am-ponja i Jôsefa,
Genesisy 39:22 - DIEM PROTESTANTA Dia natolotr’ilay lehiben’ny fonja teo an-tanan’i Jôsefa avokoa ireo mpigadra rehetra, ka izy no mitarika ny asa rehetra nataon’ireo mpigadra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa natolotry ny mpiambina ny tranomaizina ho andraikitr’i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-tranomaizina ary izy no tomponandraikitra tamin’izay rehetra nataon’ireo tao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia natolotr’ilay lehiben’ny fonja teo an-tanan’i Jôsefa avokoa ireo mpigadra rehetra, ka izy no mitarika ny asa rehetra nataon’ireo mpigadra. Baiboly Katolika Natolotry ny mpitandrina ny tranomaizina ho andraikitr’i Josefa ny olona rehetra tao an-tranomaizina; ary nataony tonian’izay rehetra natao tao izy. Baiboly Protestanta Malagasy Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr’i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony. Malagasy Bible Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr'i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony. La Bible en Malgache Koa natolotry ny mpiambina ny tranomaizina ho andraikitr’i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-tranomaizina ary izy no tomponandraikitra tamin’izay rehetra nataon’ireo tao. |
Koa nasain’i Pôtifara nosamborina i Jôsefa sy nasainy nohidîna tao am-ponja izay nisy ireo mpigadra meloka tamin’ny mpanjaka. Fa raha tao am-ponja i Jôsefa,
Ary nahafaly fatratra ny tompony i Jôsefa ka nataony mpiasa manokana; dia nomeny hiandraiketany ny tao an-tranony sy izay nananany rehetra.
Ary na ato an-trano aza dia tsy manana fahefana noho izaho izy; ka tsy nisy nandrarany ahy, afa-tsy ianao izay vadiny. Koa ahoana no ahazoako manao zava-dratsy lehibe toy izany, ka hanotako amin’Andriamanitra?
Matokia ny TOMPO, manaova ny tsara, dia honina amin’ny tany nomeny ianao ka hiaina amim-pilaminana azo antoka.
Noho izany, ny TOMPO Andriamanitr’i Israely dia miteny hentitra hoe: Efa nampanantenaiko fa ny fianakavianao sy ny tera-drainao no ho mpisoroko mandrakizay; nefa ankehitriny dia laviko tanteraka, teny hentitra avy amiko izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manimbazimba Ahy no ho afa-baràka.