Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 38:9 - DIEM PROTESTANTA

Fantatr’i Onàna fa tsy ho azy ny taranaka raha misy, koa isaky ny nandry tamin’ny zaobaviny izy, dia nandraraka ny tsirinainy tamin’ny tany mba tsy hanome taranaka ho an’ny rahalahiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fantatr’i Onana fa tsy ho azy tsinona ny taranaka; koa rehefa nandry tamin’ny vadin’ny rahalahiny izy dia nandraraka tamin’ny tany mba tsy hisy taranaka ho an’ny rahalahiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fantatr’i Onàna fa tsy ho azy ny taranaka raha misy, koa isaky ny nandry tamin’ny zaobaviny izy, dia nandraraka ny tsirinainy tamin’ny tany mba tsy hanome taranaka ho an’ny rahalahiny.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fantatr’i Onàna anefa fa tsy taranaka ho azy izany, ka nony nandeha tamin’ity vadin-drahalahiny izy, dia nandoto tena teo ivelany tamin’ny tany mba tsy hampahazo taranaka ny rahalahiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary fantatr’i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin’ny vadin’ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin’ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an’ny rahalahiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary fantatr'i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin'ny vadin'ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin'ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an'ny rahalahiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fantatr’i Onana fa tsy ho azy tsinona ny taranaka; koa rehefa nandry tamin’ny vadin’ny rahalahiny izy dia nandraraka tamin’ny tany mba tsy hisy taranaka ho an’ny rahalahiny.

Jereo ny toko



Genesisy 38:9
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary hita fa ratsy teo imason’ny Tompo izay nataon’i Onàna, ka nampamonoin’ny TOMPO ho faty koa izy.


Fa ho voakikin’ny fahasosorany ny adala; ary ho fatin’ny fahatezerany ny ketrina.


Masiaka ny havinirana ary manafotra ny hatezerana, fa iza no mahajoro eo anoloan’ny fialonana?


Mety misy mpirahalahy miara-monina, ka maty momba ny anankiray. Amin’izay, dia aoka ny vadin’ny maty tsy hanambady vahiny any ivelam-pianakaviana; fa ny zaodahiny ihany no aoka handeha hanambady azy, ka hitondra loloha azy.


Ary ny lahimatoa izay haterany no haka ny anaran’ilay rahalahy efa maty, mba tsy hahafaty anarana azy eo amin’i Israely.


Fa isika koa taloha mba adala, tsy nanaiky, naniasia; efa nandevozin’ny filàna sy fahafinaretana isan-karazany isika, lany andro tamin’ny haratsiam-panahy sy ny fialonana, sady ankahalain’olona no mankahala olona.


Raha misy fialonana mangidy sy fifampiandaniana ao am-ponareo, dia aza mirehareha ianareo ary aza mandainga manohitra ny marina.


satria izay misy fialonana sy fifampiandaniana dia misy fikorontanana mbamin’ny asa ratsy isan-karazany.


Aza heverinareo fa tsy misy antony ny tenin’ny Soratra Masina hoe: «Feno faniriana mirehidrehitra ny fanahy izay napetrak’Andriamanitra ao anatintsika.»


Fa novalian’i Nahômỳ hoe: –Modia, rey anaka; nahoana no handeha hiaraka amiko ianareo? Moa ve aho mbola hiteraka zazalahy hanjary vady ho anareo?


miaraka amin’izany koa i Rota, vehivavy môabita, dia efa noraisiko ho vadiko mba hamelo-maso ny anaran’ny maty ao amin’ny lovany, ka tsy ho tapaka ny anaran’ny maty eo amin’ny mpiara-monina sy eo am-bavahadin’ny tanàna toerana fandaminan-draharaha.