Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 38:5 - DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia mbola nitoe-jaza hafa indray izy ka nantsoiny hoe Selà. Tany Keziba i Joda no niteraka an’i Selà ny vadiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nanana anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Sela; ary nitoetra tany Keziba i Joda tamin’ny niterahan’ny vadiny an’i Sela.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia mbola nitoe-jaza hafa indray izy ka nantsoiny hoe Selà. Tany Keziba i Joda no niteraka an’i Selà ny vadiny.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary nanana anaka koa izy, dia tera-dahy, nataony hoe Selà ny anarany. Nitoetra tao Akeziba i Jodà, tamin’ny niterahany an’io.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nanan-anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin’ny niterahan’ny vadiny an’i Sela.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nanan'anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany natao­ny hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin'ny niterahan'ny vadiny an'i Sela.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nanana anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Sela; ary nitoetra tany Keziba i Joda tamin’ny niterahan’ny vadiny an’i Sela.

Jereo ny toko



Genesisy 38:5
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Joda tamin’i Tamara vinantovaviny: –Mitoera ho mpitondratena any an-tranon’ny rainao aloha mandra-pahalehiben’i Selà zanako lahy. Fa hoy i Joda anakampony hoe: «Sao dia ho faty toy ny rahalahiny eo koa i Selà.» Dia lasa i Tamara nonina tany an-tranon-drainy.


Fantatr’i Joda ireo zavatra ireo ka hoy izy hoe: –Marina kokoa noho izaho i Tamara, satria tokony ho nomeko ho vadiny i Selà zanako lahy kanefa tsy nataoko izany. Dia tsy nandry tamin’i Tamara intsony i Joda.


Naka vady ho an’i Hera lahimatoany i Joda, ka Tamara no anarany.


I Joda sy ireo zanany lahy, dia i Selà sy i Peretsa ary i Zera; fa ny zanany roa lahy, i Hera sy i Onàna, dia efa maty tany amin’ny tany Kanahàna. Ary ny zanakalahin’i Peretsa dia i Hetsirôna sy i Hamola.


Ny zanakalahin’i Joda dia i Hera sy i Ônàna ary i Selà: izy telo lahy no naterak’ilay Kanahanita vadiny, dia ny zanakavavin’i Soha. Ary ratsy fanahy teo imason’ny TOMPO i Hera, lahimatoan’i Joda, ka novonoin’ny Tompo ho faty.


Taranak’i Selà, zanakalahin’i Joda: i Hera mpanorina an’i Lekà; i Lahedà mpanorina an’i Maresà; ireo tarika mpanenona lamba rongony tao Bety-Asbea;


Ny taranak’i Joda, araka ny tarika tao aminy, dia: ny Selanita avy tamin’i Sela; ny Peritsita avy tamin’i Peretsa; ny Zerahita avy tamin’i Zerà. Ny taranak’i Peretsa dia nisy fianakaviambe anankiroa: ny Hetsirônita avy tamin’i Hetsirôna ary ny Hamôlita avy tamin’i Hamòla. Ny zanak’i Joda roa lahy, i Hera sy i Ônana, anefa dia maty tany Kanahana.