Izao no fepetra izay takîko hotandremanareo, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
Genesisy 34:22 - DIEM PROTESTANTA Manaiky hiara-monina amintsika ireo olona ireo, raha tàhiny ny lehilahy rehetra ato amintsika hoforana tahaka ny azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa izao ihany no hanaovan’ireo lehilahy ireo fanekena amintsika ka hiarahantsika monina ho firenena iray: Mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Manaiky hiara-monina amintsika ireo olona ireo, raha tàhiny ny lehilahy rehetra ato amintsika hoforana tahaka ny azy. Baiboly Katolika Kanefa izao ihany no aneken’ireo olona ireo ny hiara-monina amintsika, mba ho tonga firenena iray eto amintsika: dia ny hoforàna tahaka azy ireo ny lehilahy rehetra eto amintsika. Baiboly Protestanta Malagasy Nefa izao monja ihany no hanaovan’ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo. Malagasy Bible Nefa izao monja ihany no hanaovan'ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo. La Bible en Malgache Nefa izao ihany no hanaovan’ireo lehilahy ireo fanekena amintsika ka hiarahantsika monina ho firenena iray: Mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo. |
Izao no fepetra izay takîko hotandremanareo, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
–Mampiseho fihavanana amintsika ireo olona ireo, koa avelao izy honina eto amin’ny faritany sady hivarotra; fa mivoha malalaka ho azy ireo ny tany eo anoloany. Amin’izay dia hahazo manambady ireo tovovaviny isika, ary ny antsika kosa ho vadiny.
Raha manaiky ny teniny isika, dia hiara-mipetraka amintsika izy ireo, ka ho lasantsika miandalana koa ny biby fiompiny sy ny fananany ary ny biby rehetra mpitondra ny entany.