Nanana zanakavavy roa anefa i Labàna; ilay zokiny dia nantsoina hoe Leà ary ilay zandriny natao hoe Rahely.
Genesisy 33:2 - DIEM PROTESTANTA Nataony lohalalana ireo mpanompovavy sy ny zanany, dia nanaraka azy i Leà sy ireo zanany, ary tatỳ afara i Rahely sy i Jôsefa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nataony lohalalana ny mpanompovavy roa sy ny zanany, ary i Lea sy ny zanany no nanarakaraka, ary Rahely sy i Josefa no vodilalana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nataony lohalalana ireo mpanompovavy sy ny zanany, dia nanaraka azy i Leà sy ireo zanany, ary tatỳ afara i Rahely sy i Jôsefa. Baiboly Katolika Ny ankizy vavy sy ny zanany no nataony loha lalana; i Lià sy ny zanany no nanarakaraka; fa i Rasela sy i Josefa no vody làlana; Baiboly Protestanta Malagasy Ary nataony loha-làlana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka, ary Rahely sy Josefa no vodi-làlana. Malagasy Bible Ary nataony loha-lalana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka, ary Rahely sy Josefa no vodi-lalana. La Bible en Malgache Nataony lohalalana ny mpanompovavy roa sy ny zanany, ary i Lea sy ny zanany no nanarakaraka, ary Rahely sy i Josefa no vodilalana. |
Nanana zanakavavy roa anefa i Labàna; ilay zokiny dia nantsoina hoe Leà ary ilay zandriny natao hoe Rahely.
Dia nandry tany amin’i Rahely koa i Jakôba ka tiany lavitra noho i Leà izy. Ary nanompo an’i Labàna fito taona hafa koa i Jakôba.
Ary nitazana i Jakôba ka nahita an’i Hesao tamy miaraka amin’ny olona efajato lahy. Koa nozarainy tamin’i Leà sy i Rahely ary ny mpanompovavy roa ireo zaza.
I Jakôba kosa no nandeha teo alohan’izy rehetra. Niankohoka impito tamin’ny tany i Jakôba mandra-pahatongany teo amin’i Hesao rahalahiny.
Tian’i Jakôba mihoatra noho ireo rahalahiny rehetra i Jôsefa satria zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo tsara tarehy.
Nefa mba jereo ange ity tanindrazanareo: tafalatsaka lalina anaty henatra, tototry ny fahafaham-baràka. Indro izy nanjary farany amin’ny firenena, lasa taniefitra sy tany hay ary tanety ngazana.»
Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: –Amin’ny andro izay hotendreko dia ho raki-tsoa fananako ireo olona ireo. Ary hitsimbina azy Aho toy ny fitsimbin-dray ny zanany izay manompo azy.