Dia nalefan’i Jakôba nialoha azy ny andiam-biby fa ny tenany kosa mbola nijanona tao an-toby tamin’iny alina iny.
Genesisy 32:23 - DIEM PROTESTANTA Tamin’iny alina iny ihany no niainga i Jakôba, ka naka ny vadiny roa sy ny mpanompovaviny roa ary ny zanany iraika ambin’ny folo, dia lasa nita teo amin’ny fitana an’i Jabôka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nitsangana tamin’iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa sy ny mpanompovaviny roa ary ny zanany lahy iraika amby folo, dia nita tamin’ny fitàna tao Jaboka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’iny alina iny ihany no niainga i Jakôba, ka naka ny vadiny roa sy ny mpanompovaviny roa ary ny zanany iraika ambin’ny folo, dia lasa nita teo amin’ny fitana an’i Jabôka. Baiboly Katolika Nalainy ireo nampitainy ny rano, ary nampitainy koa ny fananany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nitsangana tamin’iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa vavy sy ny ankizivaviny roa ary ny zanani-lahy iraika ambin’ny folo, dia nita tamin’ny fitana tao Jaboka izy. Malagasy Bible Dia nitsangana tamin 'iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa vavy sy ny ankizivaviny roa ary ny zananilahy iraika ambin'ny folo, dia nita tamin'ny fitàna tao Jaboka izy. La Bible en Malgache Dia nitsangana tamin’iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa sy ny mpanompovaviny roa ary ny zanany lahy iraika amby folo, dia nita tamin’ny fitàna tao Jaboka. |
Dia nalefan’i Jakôba nialoha azy ny andiam-biby fa ny tenany kosa mbola nijanona tao an-toby tamin’iny alina iny.