Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra hoe: «Tsy tsara raha irery raolombelona, fa aoka hanaovako mpanampy sahaza azy izy.»
Genesisy 3:12 - DIEM PROTESTANTA Dia namaly ralehilahy hoe: –Ny vehivavy izay nomenao ho namako no nanome ahy ny voan’io hazo io, ka dia nihinana aho. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy Ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo dia nihinana aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia namaly ralehilahy hoe: –Ny vehivavy izay nomenao ho namako no nanome ahy ny voan’io hazo io, ka dia nihinana aho. Baiboly Katolika Hoy ny navalin-dralehilahy: «Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko no nanome ahy tamin’ilay hazo, dia nihinana aho.» Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho. Malagasy Bible Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho. La Bible en Malgache Hoy Ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo dia nihinana aho. |
Dia hoy ny TOMPO Andriamanitra hoe: «Tsy tsara raha irery raolombelona, fa aoka hanaovako mpanampy sahaza azy izy.»
Dia nomen-draolombelona anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny bibidia rehetra, kanefa tsy hitany izay mpanampy sahaza azy.
Izany taolan-tehezana nalainy tamin-draolombelona izany no namboarin’ny TOMPO Andriamanitra ho vehivavy izay nentiny teo amin-draolombelona.
Fa hoy ny TOMPO hoe: –Iza no nampahafantatra anao fa mitanjaka ianao? Moa nihinananao va ny voan’ny hazo izay norarako tsy hohaninao?
Moa nanafina ny fahadisoako tahaka ny sarambaben’olona ve aho na nikobona ny heloko tato anatiko?
Izay manafina ny fahotany tsy mba hahita fahombiazana, fa izay miaiky izany ka miala aminy no hahazo indrafo.
Te hanamarin-tena anefa ilay mpahay lalàna ka nanontany an’i Jesoa hoe: –Fa iza moa no namako?
Tsy nahalala ny fahamarinana omen’Andriamanitra ry zareo, ka nitady fahamarinana avy amin’ny tenany fa tsy nanaiky ny fahamarinana omen’Andriamanitra.
Ka hoy ny navalin’i Saoly: –Nentin’ny miaramila avy tany amin’ny Hamalekita izany; satria ny biby tsara tsy mba nokasihiny fa hatao sorona ho an’ny TOMPO Andriamanitrao. Ny sisa rehetra kosa dia naringany avokoa.