Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 29:4 - DIEM PROTESTANTA

Nanontany an’ireo mpiandry ondry i Jakôba hoe: –Ry rahalahy, avy aiza moa ianareo? Ka hoy ireo hoe: –Avy any Haràna izahay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy i Jakoba tamin’ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Hoy ireo: Avy any Harana izahay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nanontany an’ireo mpiandry ondry i Jakôba hoe: –Ry rahalahy, avy aiza moa ianareo? Ka hoy ireo hoe: –Avy any Haràna izahay.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary hoy i Jakôba tamin’ireo mpiandry ondry: «Ry rahalahy, avy aiza moa ianareo?» Hoy ny navaliny azy: «Avy any Haràna izahay.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Jakoba tamin’ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa hianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Jakoba tamin'ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy i Jakoba tamin’ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Hoy ireo: Avy any Harana izahay.

Jereo ny toko



Genesisy 29:4
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary nentin’i Tera i Abrama zanany lahy sy i Lôta zafikeliny sady zanakalahin’i Haràna. Nentiny koa i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama. Dia niala tao Ora any Babilônia ireo ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Tonga hatrany Haràna izy ary nonina tao.


Dia naka rameva folo tamin’ny ramevan’ny tompony izy sady nitondra izay zavatra tsara indrindra nananan’ny tompony, dia niainga hankany Mezôpotamia ambony, any amin’ny tanànan’i Nahôra.


Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho! Mandehana mandositra any amin’ny anadahiko any Haràna.


Niala tao Beera-Seba i Jakôba ka nankany Haràna.


Rehefa tafangona avokoa ireo andiany rehetra, dia esorina ny vato amin’ny vava fantsakana ary ampisotroina ny andian’ondry aman’osy; aorian’izany, dia averina ho amin’ny toerany eo amin’ny vava fantsakana ilay vato.


Dia novaliany hoe: –Ianareo rahalahy sy ianareo ray aman-dreny, henoy aho. Ilay Andriamanitra be voninahitra dia niseho tamin’i Abrahama razantsika fony izy tany Mezôpôtamia fa mbola tsy nifindra monina tany Haràna.


Dia nandao ny tanin’ny Kaldeanina i Abrahama ka nifindra monina tany Haràna. Rehefa maty irainy, dia nafindran’Andriamanitra avy tany Haràna izy hanketo amin’ity tany izay onenanareo ankehitriny ity.