Fa raha mbola nipetraka tany Gesora any Siria aho, dia nanao izao voady izao: «Raha hampodin’ny TOMPO any Jerosalema indray aho, dia hanompo AZY.»
Genesisy 28:21 - DIEM PROTESTANTA ka mahatafaverina ahy soa aman-tsara any an-tranon-draiko, dia ny TOMPO no ho Andriamanitro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka ho tafaverina soa amantsara any amin’ny tranon’ny raiko aho, dia NY TOMPO no ho Andriamanitro, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka mahatafaverina ahy soa aman-tsara any an-tranon-draiko, dia ny TOMPO no ho Andriamanitro. Baiboly Katolika ka tafaverina soa aman-tsara any an-tranon’ikaky aho, dia i Iaveh no ho Andriamanitro. Baiboly Protestanta Malagasy ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin’ny tranon’ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro, Malagasy Bible ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin'ny tranon'ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro, La Bible en Malgache ka ho tafaverina soa amantsara any amin’ny tranon’ny raiko aho, dia NY TOMPO no ho Andriamanitro, |
Fa raha mbola nipetraka tany Gesora any Siria aho, dia nanao izao voady izao: «Raha hampodin’ny TOMPO any Jerosalema indray aho, dia hanompo AZY.»
Ka hoy ny mpanjaka tamin’i Simehỳ: –Tsy ho faty tsy akory ianao. Ny tenako no mianiana izany aminao.
Ary hoy ny mpanjaka taminy: –Ahoana indray no mbola ilazanao izany? Ambarako fa ianao sy i Tsibà no hifampizara ny tanin’i Saoly.
ka nilazany hoe: –Satria nolavinao ny fanomezako, dia avelao aho mba hitondra tany kely zakan’ny boriky roa avy amin’ny taninao; fa izaho tsy mba hanolotra intsony sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana amin’ny andriamani-kafa afa-tsy amin’ny TOMPO ihany.
Ary niantso an’ilay Andriamanitr’i Israely i Jahebetsy ka nanao hoe: «Enga anie hotahînao tokoa aho, ka hohalalahinao ny taniko; ary aoka ny tananao homba ahy, ka hataonao lavitra ahy ny loza mba tsy ho zoim-pahoriana aho!» Dia nohenoin’Andriamanitra izay nangatahiny.
Ny TOMPO no heriko ka hataoko an-kira, tonga namonjy ahy Izy, Izy no Andriamanitro, ka hoderaiko izy no Andriamanitry ny razako, ka hankalazaiko.
Efa nampiteneninareo ny TOMPO androany fa ho Andriamanitrareo Izy, ary ianareo hanaraka ny sori-dàlany ka hitandrina ny lalànany sy didy amam-pitsipiny ary hihaino ny feony.
dia hatokako ho ANAO sady hatolotro ho sorona dorana manontolo ho Anao izay olona mivoaka voalohany ny varavaran’ny tranoko mba hitsena ahy rehefa miverina avy nandresy ny Hamônita aho.