Ary nentin’i Tera i Abrama zanany lahy sy i Lôta zafikeliny sady zanakalahin’i Haràna. Nentiny koa i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama. Dia niala tao Ora any Babilônia ireo ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Tonga hatrany Haràna izy ary nonina tao.
Genesisy 27:43 - DIEM PROTESTANTA Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho! Mandehana mandositra any amin’ny anadahiko any Haràna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko: Mandehana mandositra ho any Harana, any amin’i Labana anadahiko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho! Mandehana mandositra any amin’ny anadahiko any Haràna. Baiboly Katolika Noho izany, anaka, henoy aho: Miaingà ianao ary mandosira any amin’i Labàna anadahiko, any Haràna, Baiboly Protestanta Malagasy Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miaingà ka mandosira ho any Harana, dia any amin’i Labana anadahiko. Malagasy Bible Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miainga ka mandosira ho any Harana, dia any amin'i Labana anadahiko. La Bible en Malgache Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko: Mandehana mandositra ho any Harana, any amin’i Labana anadahiko. |
Ary nentin’i Tera i Abrama zanany lahy sy i Lôta zafikeliny sady zanakalahin’i Haràna. Nentiny koa i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama. Dia niala tao Ora any Babilônia ireo ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Tonga hatrany Haràna izy ary nonina tao.
Ary nanana anadahy atao hoe Labàna anefa i Rebekà; dia nihazakazaka io nankany amin’ilay rangahy tany ivelany, teo am-pantsakana.
Rehefa feno efapolo taona izy dia nanambady an’i Rebekà, anabavin’i Labàna sady zanakavavin’i Betoela izay Aramianina tao Padàna-Arama.
Namaly azy kosa ny reniny hoe: –Aoka ho ahy ny ozona, anaka; fa araho ny teniko ka mandehana akao ireo zanak’osy ireo aho.
Rehefa nampandrenesina ny fikàsan’i Hesao lahimatoany i Rebekà, dia nampiantso an’i Jakôba faralahiny ka nanao taminy hoe: –Tandremo fa te hamaly ny nataonao i Hesao rahalahinao ka hamono anao ho faty.
Koa nalefan’i Itsehàka ho any Mezôpôtamia ambony i Jakôba, ho any amin’i Labàna, zanakalahin’i Betoela izay aramianina sady anadahin’i Rebekà renin’i Hesao sy i Jakôba.
Indray andro dia hoy Andriamanitra tamin’i Jakôba: –Miaingà, miakara any Betela ka mitoera any; ary manaova alitara eo ho an’ilay Andriamanitra Izay niseho taminao fony ianao nandositra an’i Hesao rahalahinao.
Ny olona izay miandranandrana amin-dray sy mamingavinga ny fahanteran-dreny dia hopotsirin’ny goaikan-driaka ny masony ary hohanin’ny voromahery ny tenany.
Fa i Jônadaba, zanakalahin’i Rekaba, dia nandidy ireo zanany mba tsy hisotro divay, ary nankatoavin’ny Rekabita ny teniny; ka tsy nikasika divay ireo mandraka androany, satria nitana ny hafa-drazany. Izaho anefa, na dia tsy nitsahatra nampitandrina anareo aza, dia tsy mba nohenoinareo akory.
Fa novalian’i Petera sy ny apôstôly hoe: –Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa tsy ny olombelona.