Rehefa nampandrenesina ny fikàsan’i Hesao lahimatoany i Rebekà, dia nampiantso an’i Jakôba faralahiny ka nanao taminy hoe: –Tandremo fa te hamaly ny nataonao i Hesao rahalahinao ka hamono anao ho faty.
Genesisy 27:41 - DIEM PROTESTANTA Ary nankahalain’i Hesao i Jakôba, satria nahazo ny tsodranon-drainy; ka hoy i Hesao anakampo hoe: «Efa akaiky ny andro hisaonana an’i dada, ary amin’izay no hamonoako an’i Jakôba rahalahiko.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nankahala an’i Jakoba i Esao noho ny tsodrano izay nomen’ny rainy azy. Dia hoy i Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an’Ikaky ka hovonoiko i Jakoba rahalahiko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nankahalain’i Hesao i Jakôba, satria nahazo ny tsodranon-drainy; ka hoy i Hesao anakampo hoe: «Efa akaiky ny andro hisaonana an’i dada, ary amin’izay no hamonoako an’i Jakôba rahalahiko.» Baiboly Katolika Raikitra ao am-pon’i Esao ny fankahalana an’i Jakôba noho ny tso-drano nomen-drainy azy, ka hoy izy tao am-pony: «Ny andro hisaonako an’i Dada dia efa antomotra; amin’izay dia hovonoiko i Jakôba rahalahiko.» Baiboly Protestanta Malagasy ARY Esao nanao fo-lentika tamin’i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an’ikaky, dia hamono an’i Jakoba rahalahiko aho. Malagasy Bible Ary Esao nanao fo-lentika tamin'i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an'ikaky, dia hamono an'i Jakoba rahalahiko aho. La Bible en Malgache Ary nankahala an’i Jakoba i Esao noho ny tsodrano izay nomen’ny rainy azy. Dia hoy i Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an’Ikaky ka hovonoiko i Jakoba rahalahiko. |
Rehefa nampandrenesina ny fikàsan’i Hesao lahimatoany i Rebekà, dia nampiantso an’i Jakôba faralahiny ka nanao taminy hoe: –Tandremo fa te hamaly ny nataonao i Hesao rahalahinao ka hamono anao ho faty.
Tsy mendrika an’ireo mari-pitiavana sy zavatra azo antoka rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao akory aho, satria tsy nanana afa-tsy tehina ny tenako raha niampita an’ity Jôrdàna ity, ary ankehitriny kosa efa tonga antokony roa.
Rehefa nahita ireo i Jakôba, dia niteny hoe: –Tobin’Andriamanitra ity! Dia nantsoiny hoe Mahanaima izany toerana izany.
Manana omby sy boriky sy ondry aman’osy aho ary koa mpanompo lahy sy vavy maro. Nandefa ireto irako ireto aho hampilaza aminao tompokolahy mba handraisanao ahy tsara.»
no niala aina izy ka maty; ary efa tratra antitra izy vao nakambana tamin’ny razany. I Hesao sy i Jakôba zanany no nandevina azy.
Mbola lavitra i Jôsefa, dia tazan’ireo rahalahiny; ka raha tsy mbola tonga teny aminy akory izy, dia niray tetika hamono hahafaty azy ny rahalahiny
Hitan’ireo rahalahiny fa tian-drainy mihoatra noho izy rehetra i Jôsefa, ka nankahalainy sady tsy hainy nitenenana tamim-pihavanana intsony.
Ka hoy ireo rahalahiny taminy: –Dia hanjaka aminay sy hifehy anay tokoa ve ianao? Vao mainka niampy izaitsizy ny fankahalàny azy noho ireo nofiny sy ny fitantàrany azy.
Rehefa hitan’ireo rahalahin’i Jôsefa fa maty ny rainy, dia nifampiresaka izy hoe: «Mety hankahala antsika i Jôsefa ka hamaly faty ireo ratsy nataontsika taminy.»
Ary nomen’i Jôsefa baiko ireo dokotera mpanompony mba hanosotra zava-manitra ny rainy; koa notanterahin’ireo ny fanosorana menaka manitra ny fatin’i Jakôba,
Dia nesorin’ny manamboninahiny tamin’ny kalesy nisy azy i Jôsià ka napetrany teo amin’ny kalesy hafa ary nentiny ho any Jerosalema. Dia maty izy, ka rehefa nalevina tao am-pasan-drazany, dia nisaonan’ny mponin’i Jerosalema sy ny Jodeanina hafa rehetra.
fa toy ny namana na mpiray tampo no fitondràko azy tamin’izany; nanjombona sy valaketraka aho toy ny olona misaona ny reniny.
Sarotra kokoa noho ny mananika manda ny manatona rahalahy tafintohina; ary ny fifandirana dia mafy toy ny hidin-dapa.
Hafetsifetsena no mameno ny fony ka mampihevi-dratsy azy mandrakariva sy mahatonga azy hamafy ady.
Hatry ny ela no nankahalanao ny Israelita. Tamin’ny fotoana naharesy azy, fony nihoa-pampana ny heloka vitany, dia nataonao ripaky ny ady izy.
Nitomanian’ny Israelita teo amin’ny lemak’i Môaba i Mosesy, nandritra ny telopolo andro nanatontosana ny fisaonana azy.
Fa isika koa taloha mba adala, tsy nanaiky, naniasia; efa nandevozin’ny filàna sy fahafinaretana isan-karazany isika, lany andro tamin’ny haratsiam-panahy sy ny fialonana, sady ankahalain’olona no mankahala olona.