dia nanontany azy indray izy hoe: –Ianao tokoa ve no Hesao zanako? Ka novalian’i Jakôba hoe: –Eny, izaho no izy.
Genesisy 27:25 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy indray i Itsehàka taminy: –Arosoy àry hihinanako izato hazan-janako mba hitsofako rano anao. Dia norosoany izy ka nihinana, ary nitondrany divay koa ka nisotro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan’ny zanako hihinanako, mba hitsofako rano anao. Dia narosony teo anoloany izany ka nihinana izy; ary nitondrany divay izy dia nisotro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy indray i Itsehàka taminy: –Arosoy àry hihinanako izato hazan-janako mba hitsofako rano anao. Dia norosoany izy ka nihinana, ary nitondrany divay koa ka nisotro. Baiboly Katolika Dia hoy i Isaaka: «Arosoy àry hohaniko izato hazan’ny zanako, mba hitsofan’ny fanahiko rano anao.» Dia naroson’i Jakôba teo anoloany izany ka nihinana izy; ary notolorany divay koa; ka nisotro. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan’ny zanako hihinanako, mba hitsofan’ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro. Malagasy Bible Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan'ny zanako hihinanako, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro. La Bible en Malgache Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan’ny zanako hihinanako, mba hitsofako rano anao. Dia narosony teo anoloany izany ka nihinana izy; ary nitondrany divay izy dia nisotro. |
dia nanontany azy indray izy hoe: –Ianao tokoa ve no Hesao zanako? Ka novalian’i Jakôba hoe: –Eny, izaho no izy.
Taorian’izany, dia hoy i Itsehàka rainy taminy: –Manatòna kely hoe ny zanako ka manoroha ahy!
ka anamboaro hanim-py ho ahy araka ilay tiako, ary ento aty hohaniko. Avy eo dia hotsofiko rano ianao alohan’ny hahafatesako.