Fa hoy i Jakôba tamin’ny reniny: –I Hesao rahalahiko dia voloina, fa izaho kosa malama hoditra.
Genesisy 27:23 - DIEM PROTESTANTA Tsy fantatr’i Itsehàka i Jakôba, satria rakotra volo toy ny tanan’i Hesao rahalahiny ny sandriny. Kanefa talohan’ny hitsofany rano azy, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa tsy nahafantatra azy izy satria voloina tahaka ny tanan’i Esao rahalahiny ny tanany; dia notsofiny rano izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy fantatr’i Itsehàka i Jakôba, satria rakotra volo toy ny tanan’i Hesao rahalahiny ny sandriny. Kanefa talohan’ny hitsofany rano azy, Baiboly Katolika Tsy nahalala azy izy, satria voloina tahaka ny an’i Esao rahalahiny, ny tanany, ka dia nitso-drano azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tsy nahafantatra azy izy, satria voloina tahaka ny tànan’i Esao rahalahiny ny tànany; dia notsofiny rano izy. Malagasy Bible Ary tsy nahafantatra azy izy, satria voloina tahaka ny tanan'i Esao rahalahiny ny tànany; dia notsofiny rano izy. La Bible en Malgache Nefa tsy nahafantatra azy izy satria voloina tahaka ny tanan’i Esao rahalahiny ny tanany; dia notsofiny rano izy. |
Fa hoy i Jakôba tamin’ny reniny: –I Hesao rahalahiko dia voloina, fa izaho kosa malama hoditra.
Nalainy koa ny hoditr’osy ka namonosany ny sandriny sy ny faritra malama teo amin’ny vozony;
Nanatona an’Itsehàka rainy i Jakôba ka notsapainy, ary nilazany hoe: –Ny feony dia feon’i Jakôba, nefa ny tanany kosa dia tanan’i Hesao.
dia nanontany azy indray izy hoe: –Ianao tokoa ve no Hesao zanako? Ka novalian’i Jakôba hoe: –Eny, izaho no izy.
Finoana no nitsòfan’i Itsehàka rano an-dry i Jakôba sy i Hesao, nitsinjovany ny hoavin’izy roa lahy.