Niteraka enin-dahy tamin’i Abrahama izy, dia ireto avy izany: i Zimràna sy i Jôksàna, i Medàna sy i Midiàna ary i Jisbàka sy i Soa.
Genesisy 25:3 - DIEM PROTESTANTA I Jôksàna no rain’i Sebà sy i Dedàna; ny Asorita sy ny Letosita ary ny Leomita no taranak’i Dedàna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Joksana dia niteraka an’i Sheba sy i Dedana. Ary ny zanakalahin’i Dedana dia i Asorima sy i Letosima ary i Leomima. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Jôksàna no rain’i Sebà sy i Dedàna; ny Asorita sy ny Letosita ary ny Leomita no taranak’i Dedàna. Baiboly Katolika I Jeksàna niteraka an’i Sabà sy i Dadàna; ny zanaka lahin’i Dadàna dia ny Asorima, ny Latosima, ny Laomima; Baiboly Protestanta Malagasy Ary Joksana niteraka an’i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin’i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima. Malagasy Bible Ary Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin'i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima. La Bible en Malgache Ary i Joksana dia niteraka an’i Sheba sy i Dedana. Ary ny zanakalahin’i Dedana dia i Asorima sy i Letosima ary i Leomima. |
Niteraka enin-dahy tamin’i Abrahama izy, dia ireto avy izany: i Zimràna sy i Jôksàna, i Medàna sy i Midiàna ary i Jisbàka sy i Soa.
Ny zanakalahin’i Midiàna dia i Hefà sy i Hefera, i Hanôka sy i Abidà ary i Eldahà. Ireo rehetra ireo no taranak’i Ketorà.
ka nataony mpanjaka tamin’ny faritr’i Gilehada sy ny Asorita mbamin’i Jizrehela sy i Efraîma sy i Benjamîna ary i Israely manontolo.
Ny mpanjakavavin’i Sebà dia nahare ny laza nananan’i Salômôna noho ny anaran’ny TOMPO, ka avy hitsapa azy tamin’ny fanontaniana sarotra.
Na andia-mpifindralasy avy any Temà na andia-mpandranto avy any Sebà dia samy mitazana ny riaka ary samy manantena azy.
Ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny an’ireo nosy dia handefa fanomezana ho azy; ny mpanjakan’i Sabà sy ny an’i Sebà kosa ho avy handoa hetra aminy.
Hafatra milohateny hoe «Eo an-tany lavavolo». Any an-kirihitr’ala, eo an-tany lavavolo, no aoka handrianareo amin’ny alina, ry andian’olona avy any Dedàna!
Rameva maro no handrakotra ny taninao, dia andian-drameva avy any Midiana sy Hefà; tonga koa ny olona rehetra avy any Sabà. Volamena sy vovo-javamanitra no hoentiny ary ny fiderana ny TOMPO no hafatra soa hambarany.
–ny mponina any Dedàna sy Temà ary Bozỳ mbamin’ireo olona rehetra mpiharatra fihirifana;
Miverena ilalana, mandosira, ry olon’i Dedàna, misitriha any anaty lava-bato any, satria ny loza, ry taranak’i Hesao, no ataoko mihatra aminareo; izao ny fotoana irotsahako an-tsehatra hamely anareo.
Koa Izaho Tompo ANDRIANANAHARY dia manambara fa haneho ny heriko hamelezana an’i Edôma. Haringako ny olona sy ny biby fiompy amin’io tany io; ary hataoko lao izy, manomboka eo an-tanànan’i Temàna ka hatrany Dedàna, ka ho faty an’ady ny mponina ao aminy.
Nifandray ara-barotra taminao koa ny olona avy ao Dedàna. Nitatra tamin’ireo nosy maro ny tsenam-barotrao, ka tandroka ivoara sy hazomainty no natakalony ny entanao.
Ny olona avy any Dedàna kosa nifandray ara-barotra taminao ka nitondra lamba fandrakofan-tsoavaly.
Hazo ôaka avy any Basàna no nanaovany ny fivoin-tsambonao. Hazo sedera avy any amin’ny nosy Kitima izay nasiana sisika ivoary no nanamboarany ny tokotanin-tsambonao.