Nitsodrano azy Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany mba hifehy azy. Anjakao ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra ary ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»
Genesisy 24:60 - DIEM PROTESTANTA Nitsodrano an’i Rebekà ireo ka nanao taminy hoe: –Ho tonga renin’ny olona an’alinalina anie ianao, rahavana, ary ny taranakao anie hahazo ny tanànan’izay mankahala azy! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nitsodrano an’i Rebeka izy ireo ka niteny taminy hoe: Ry anabavinay, ho tonga arivoarivo sy alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny tanànan’ny fahavalony! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nitsodrano an’i Rebekà ireo ka nanao taminy hoe: –Ho tonga renin’ny olona an’alinalina anie ianao, rahavana, ary ny taranakao anie hahazo ny tanànan’izay mankahala azy! Baiboly Katolika Nitso-drano an-dRebekà izy, ka nanao taminy hoe: «Ho tonga alinalina anie ianao, ranabavy! Ary hahazo ny vavahadin’ny fahavalony anie ny taranakao!» Baiboly Protestanta Malagasy Dia nitso-drano an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie hianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin’izay mankahala azy. Malagasy Bible Dia nitso-drano an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin'izay mankahala azy. La Bible en Malgache Nitsodrano an’i Rebeka izy ireo ka niteny taminy hoe: Ry anabavinay, ho tonga arivoarivo sy alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny tanànan’ny fahavalony! |
Nitsodrano azy Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany mba hifehy azy. Anjakao ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra ary ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»
ary nitsodrano an’i Abrama hoe: –Hotahîn’Andriamanitra avo indrindra mpanao ny lanitra sy ny tany anie i Abrama!
Hotahîko izy ary homeko zanakalahy avy aminy koa ianao. Hotahîko izy ka ho tonga razamben’ny firenena maro, ary hisy mpanjakam-pirenena avy amin’ny taranany.
fa hitahy anao tokoa Aho ka hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny an-danitra na ny fasika eny amoron-dranomasina. Ary ny taranakao dia haka ny tanànan’ireo fahavalony.
Dia niainga i Rebekà sy ireo mpanompovaviny ka nitaingin-drameva, ary lasa nandeha niaraka tamin’ilay mpanompon’i Abrahama.
Hitahy anao anie ilay Andriamanitra Tsitoha, ka hanome taranaka maro mba hahatonga anao ho razamben’ny firenena maro
Nifoha maraina koa i Labàna ny ampitso, dia nanoroka ireo zanany vavy sy ireo zafikeliny, ka nanao veloma azy ary niverina nody.
Tamin’izany andro izany dia nitsodrano azy mirahalahy i Jakôba ka niteny toy izao: –Ny anaranareo no hitsofan’ny Israelita rano ka hilazany hoe: «Tahaka ny nataon’Andriamanitra tamin’i Efraîma sy i Manase anie no hataony aminao!» Araka izany, dia napetrak’i Jakôba alohan’i Manase i Efraîma.
Ary Andriamanitra nitsodrano an’i Noà sy ireo zanany lahy hoe: «Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany.
Manambadia ka miteraha zanakalahy sy zanakavavy; akao vady ny zanakareo lahy ary ampanambadio ny zanakareo vavy mba hiteraka koa izy. Hihamaro anie ianareo, fa tsy hihavitsy!
Ony afo no nipoitra sy nikoriana avy teo anatrehany. An-tapitrisa ireo nanompo azy ary an-jato tapitrisa no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ireo mpitsara ary nosokafana ny boky.
Hataonareo lovan’ny zanakareo mandimby anareo ireny, mba hozakainy ho fananany. Ho mpanomponareo hatrany hatrany ireny; fa ny Israelita mpiray firenena aminareo kosa dia tsy azonareo itratrevatrevana sy ampahoriana.
Hosamborin’ireo ray aman-dreniny izy ka hoentiny amin’ny fitsarana eo anoloan’ny loholon’ny tanàna onenany;