Nanambady an’i Saray i Abrama; ary i Nahôra kosa nanambady an’i Milkà zanakavavin’i Haràna. I Haràna koa no rain’i Milkà sy i Jiskà.
Genesisy 22:23 - DIEM PROTESTANTA Izy valo lahy no naterak’i Milkà tamin’i Nahôra rahalahin’i Abrahama. I Betoela no rain’i Rebekà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Betoela dia niteraka an’i Rebeka. Ireo valo ireo no naterak’i Milka tamin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izy valo lahy no naterak’i Milkà tamin’i Nahôra rahalahin’i Abrahama. I Betoela no rain’i Rebekà. Baiboly Katolika I Batoela no rain-dRebekà. Izy valo lahy ireo no naterak’i Melkà tamin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Betoela niteraka an-dRebeka. Ireo valo ireo no naterak’i Milka tamin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama. Malagasy Bible Ary Betoela niteraka an-dRebeka. Ireo valo ireo no naterak'i Milka tamin'i Nahora, rahalahin'i Abrahama. La Bible en Malgache Ary i Betoela dia niteraka an’i Rebeka. Ireo valo ireo no naterak’i Milka tamin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama. |
Nanambady an’i Saray i Abrama; ary i Nahôra kosa nanambady an’i Milkà zanakavavin’i Haràna. I Haràna koa no rain’i Milkà sy i Jiskà.
Mbola nanana vadikely natao hoe Reomà i Nahôra ka niterahany an’i Teba sy i Gahama ary i Tahasa sy i Mahekà.
Fa raha mbola tsy nifarana akory ny teniny, dia indro tamy i Rebekà milanja siny eny an-tsorony. Io Rebekà io dia zanakavavin’i Betoela zanakalahin’i Milkà izay vadin’i Nahôra rahalahin’i Abrahama.
Dia namaly razazavavy hoe: –Zanakavavin’i Betoela aho, sady zafikelin’i Milkà sy i Nahôra.
Ary rehefa nanontany azy aho hoe: «Zanak’iza moa ianao?», dia novaliany hoe: «Zanakavavin’i Betoela aho, ary zafikelin’i Nahôra sy i Milkà.» Dia napetrako teo amin’ny oron-drazazavavy ny kavina ary nataoko teny an-tanany ny haba.
Indro i Rebekà eo anoloanao, ento miaraka aminao izy ary aoka ho vadin’ny zanakalahin’ny tomponao, araka izay nambaran’ny TOMPO.
Nitsodrano an’i Rebekà ireo ka nanao taminy hoe: –Ho tonga renin’ny olona an’alinalina anie ianao, rahavana, ary ny taranakao anie hahazo ny tanànan’izay mankahala azy!
Avy eo dia nampandrosoin’i Itsehàka tao an-dain’i Sarà reniny i Rebekà, ka nalainy ho vady sy notiaviny; dia nampionona an’i Itsehàka izany taorian’ny nahafatesan-dreniny.
Rehefa feno efapolo taona izy dia nanambady an’i Rebekà, anabavin’i Labàna sady zanakavavin’i Betoela izay Aramianina tao Padàna-Arama.
Miaingà ka mandehana any Mezôpôtamia ambony, any amin’i Betoela raibenao. Any ianao no makà vady amin’ny zanakavavin’i Labàna anadahin-dreninao.
Koa nalefan’i Itsehàka ho any Mezôpôtamia ambony i Jakôba, ho any amin’i Labàna, zanakalahin’i Betoela izay aramianina sady anadahin’i Rebekà renin’i Hesao sy i Jakôba.
Ary tsy izany ihany fa tokana ny rain’ireo zanakalahin’i Rebekà, dia i Itsehàka razantsika.