Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.
Genesisy 22:18 - DIEM PROTESTANTA Amin’ny alalan’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany, satria ianao nihaino ny feoko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Amin’ny alalan’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany, satria ianao nihaino ny feoko. Baiboly Katolika Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.» Baiboly Protestanta Malagasy ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, –satria nanaiky ny teniko hianao. Malagasy Bible ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao. La Bible en Malgache Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao. |
Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.
Hotahîko izay mitahy anao, fa hozoniko kosa izay manozona anao. Amin’ny alalanao no hitahiana ny firenena rehetra eran-tany.
Tsy maintsy ho tonga razamben’ny firenena lehibe sy matanjaka izy; ary amin’ny alalany no hitahiako ny firenena rehetra eto an-tany.
Nofidîko izy mba handidiany ireo zanany sy ny taranany hitandrina ny didiko ka hanao ny rariny sy ny hitsiny mba hotanterahiko amin’i Abrahama izay rehetra efa nampanantenaiko momba azy.»
Dia nifoha vao maraina be i Abrahama nony ampitso. Namaky kitay hanaovana sorona izy, dia nanisy lasely ny borikiny ary niainga ho any amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra. Nentiny niaraka taminy koa ny zatovony roa lahy sy i Itsehàka zanany lahy.
Ho maro tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao ka hiely hianatsimo sy hianavaratra ary hiankandrefana sy hiantsinanana. Amin’ny alalanao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.
Ny lazan’ny mpanjaka anie ho mandrakizay ka hitatra hatrany eto ambany masoandro! Izy anie ho fitahiana ireo fokon’ny tany tontolo ka hataon’ny firenena rehetra hoe: «Sambatra!»
Dia notanterahin’i Mosesy sy i Aharôna izany, ka araka izay nandidian’ny TOMPO azy no nataony.
Raha araka ny rariny sy ny hitsiny ary ny marina no hanaovanao fianianana hoe: «Velona ny TOMPO, ka mianiana aho fa...», dia ny firenen-kafa koa hangataka hotahîko sady hanao Ahy ho reharehany.
Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy izay lazaiko, dia ho Andriamanitrareo Aho ary ianareo ho vahoakako. Araho ny lalàna izay nandidiako anareo, dia hahita soa ianareo.
Fitanisana ny razan’i Jesoa Kristy, taranak’i Davida, dia i Davida taranak’i Abrahama.
Ho anareo ny fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany, ary iombonanareo anjara ilay fanekempihavanana nataon’Andriamanitra tamin’ny razanareo fony Izy niteny tamin’i Abrahama hoe: «Ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra eto an-tany.»
dia ny amin’ny Zanany, i Jesoa Kristy Tompontsika. Araka ny maha olombelona, dia avy amin’ny taranak’i Davida mpanjaka i Jesoa;
Tamin’i Abrahama sy tamin’ilay taranany kosa no nilazan’Andriamanitra ny fampanantenana. Ary ny Soratra Masina dia tsy manao hoe «tamin’ireo taranany», toy ny nanondro maro; fa hoe «tamin’ilay taranakao», toy ny manondro tokana: dia i Kristy izany.
Fa raha avy amin’ny lalàna ny lova omen’Andriamanitra, dia tsy avy amin’ny fampanantenana intsony; kanefa, ho an’i Abrahama, dia tamin’ny alalan’ny fampanantenana no nanomezan’Andriamanitra izany maimaimpoana.
Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin’ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin’i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra.
Noho izany, ny TOMPO Andriamanitr’i Israely dia miteny hentitra hoe: Efa nampanantenaiko fa ny fianakavianao sy ny tera-drainao no ho mpisoroko mandrakizay; nefa ankehitriny dia laviko tanteraka, teny hentitra avy amiko izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manimbazimba Ahy no ho afa-baràka.