Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 19:11 - DIEM PROTESTANTA

Fa ireo lehilahy teo am-baravaran’ny trano kosa nasiany fahajambana na ny kely na ny lehibe ka tsy nahita ny varavarana hidirana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary izy roa lahy dia nampahajambena ny mason’ireo lehilahy izay teo am-baravaran’ny trano, na kely na lehibe, ka sasa-poana nitady ny varavarana ireo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa ireo lehilahy teo am-baravaran’ny trano kosa nasiany fahajambana na ny kely na ny lehibe ka tsy nahita ny varavarana hidirana.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Fa ry zareo tao am-baravaran’ny trano kosa nasiany fanjambana hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe, ka sasa-poana nitady ny varavarana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nampanjambena ny mason’ny lehilahy izay teo am-baravaran’ny trano izy hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe; ka dia sasa-poana nitady ny varavarana ireo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nampanjambena ny mason'ny lehilahy izay teo am-baravaran'ny trano izy hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe; ka dia sasa-poana nitady ny varavarana ireo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary izy roa lahy dia nampahajambena ny mason’ireo lehilahy izay teo am-baravaran’ny trano, na kely na lehibe, ka sasa-poana nitady ny varavarana ireo.

Jereo ny toko



Genesisy 19:11
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ireo anjely tamin’i Lôta: –Mbola misy fianakavianao ve eto, toy ny vinantolahy na zanakalahy na zanakavavy na havana hafa? Ento mivoaka ny tanàna ireo,


Fa raha nidinan’ny miaramila sirianina i Elisà, dia nivavaka indray ka nanao hoe: –Tompo ô, mba tampeno ny mason’ireo miaramila rehetra ireo. Dia nohajambain’ny TOMPO araka ny tenin’i Elisà ny masony;


Reraka mafy amin-javatra bitika ny adala, fa ny lalana mankao an-tanàna avy no tsy fantany.


Sasatra ianao tamin’ny lalan-davitra nalehanao, kanefa tsy loa-bolana hoe: «Kivy aho izany!» Nahazo hery indray aza ianao, ka tsy nahatsiaro reraka.


Ahoana no nanovanao faingana ny tetikao? Kanefa ho diso fanantenana amin’i Ejipta ianao tahaka ny nahazo anao tamin’i Asiria.


Ankehitriny, indro hasian’ny tanan’ny Tompo ianao ka ho jamba tsy hahita ny fahazavan’ny masoandro mandritra ny fotoana voafetra. Niaraka tamin’izay dia sarona haizina ny mason’i Elimà, ka niraparapa izy nitady olona hitantana azy.