Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 18:16 - DIEM PROTESTANTA

Dia nitsangana niala teo ireo lehilahy vahiny ka nitazana an’i Sôdôma, ary i Abrahama niaraka taminy hanatitra azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nitsangana ireo lehilahy ireo ka niala teo dia nitodi-doha ho any Sodoma; ary niaraka tamin’izy ireo i Abrahama mba hanatitra azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nitsangana niala teo ireo lehilahy vahiny ka nitazana an’i Sôdôma, ary i Abrahama niaraka taminy hanatitra azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nitsangana handeha ireo lehilahy ireo, dia nitodika nankany Sôdôma; i Abrahama izany nandeha niaraka taminy koa hanatitra azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

DIA nitsangana ireny lehilahy ireny ka niala teo, dia nitsinjo an’i Sodoma; ary Abrahama niaraka taminy hanatitra azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nitsangana ireny lehilahy ireny ka niala teo, dia nitsinjo an'i Sodoma; ary Abrahama niaraka taminy hanatitra azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nitsangana ireo lehilahy ireo ka niala teo dia nitodi-doha ho any Sodoma; ary niaraka tamin’izy ireo i Abrahama mba hanatitra azy.

Jereo ny toko



Genesisy 18:16
9 Rohy Ifampitohizana  

Fa nandà noho ny tahotra i Sarà ka nanao hoe: –Tsy nihomehy aho. Hoy kosa ny TOMPO hoe: –Tsia, fa nihomehy ianao.


Nanopy maso i Abrahama ka nahita lehilahy telo nijoro nanandrify azy. Raha nahita ireo izy, dia nihazakazaka avy teo an-dainy mba hitsena azy sady niankohoka teo anatrehany.


Ny roa tamin’ireo lehilahy vahiny dia niainga ka nankany Sôdôma, fa ny TOMPO kosa mbola nijanona niaraka tamin’i Abrahama.


Nony hariva dia tonga tao Sôdôma ireo anjely roa. Nipetraka teo am-bavahadin’ny tanàna i Lôta tamin’izay. Raha vao nahita ireo izy, dia nitsangana hitsena azy ary niankohoka teo anatrehany


Rehefa novatsîn’ny Fiangonana ry i Paoly, dia lasa namakivaky an’i Fenisia sy i Samaria sady nitantara ombieny ombieny ny fitodihan’ny hafa firenena amin’Andriamanitra, ka nahafaly aoka izany ireo havana rehetra iray finoana.


Nalahelo mafy izy rehetra, indrindra noho ny nilazany hoe: «Tsy hahita ahy intsony ianareo.» Dia naterin’izy rehetra teny an-tsambo i Paoly.


Nony lany anefa izany herinandro izany, dia lasa nanohy ny dia izahay. Nanatitra anay hatrany ivelan’ny tanàna izy rehetra ombàm-bady aman-janaka; dia niara-nandohalika teo amin’ny torapasika izahay ka nivavaka.


Koa manantena aho fa amin’ny diako hankany Espaina, dia handalo eo aminareo ka hahita anareo; ary dia hampianareo ho any amin’io tany io, rehefa fenofeno ny hafaliako aminareo.


Ireo no nanambara teo anatrehan’ny Fiangonana izany fitiavanao izany. Dia ho soa no hataonao, raha manatitra sy mamatsy azy ireo amin’ny diany ianao, araka izay fomba mendrika an’Andriamanitra;