Genesisy 15:21 - DIEM PROTESTANTA ny Amôrita sy ny Kanahanita ary ny Girgasita sy ny Jebosita. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny Amorita, ny Kananita, ny Girgasita ary ny Jebosita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ny Amôrita sy ny Kanahanita ary ny Girgasita sy ny Jebosita. Baiboly Katolika ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Zerizeseanina ary ny Jeboseanina.» Baiboly Protestanta Malagasy ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita. Malagasy Bible ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita. La Bible en Malgache ny Amorita, ny Kananita, ny Girgasita ary ny Jebosita. |
Ary i Saray, vadin’i Abrama, dia tsy niteraka fa momba; nefa nanana mpanompovavy ejiptianina atao hoe Hagara izy
koa tapa-kevitra Izy fa hanaisotra anareo hiala amin’ny fahoriana atỳ ho any amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia tany tondra-dronono sy tantely.»
Koa tafidina Aho mba hanafaka azy amin’ny fahefàn’ny Ejiptianina, ka hampiakatra azy hiala amin’ny tany Ejipta mba ho any amin’ny tany tsara sy midadasika, any amin’ny tany tondra-dronono sy tantely, dia ny toerana misy ny Kanahanita sy ny Hetita, ny Amôrita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.
Hirahiko ny anjeliko mba hitari-dàlana anareo; horoahiko ny Kanahanita sy ny Amôrita, ny Hetita sy ny Perizita, ary ny Hivita sy ny Jebosita.
«Tandremo tsara izay rehetra andidiako anareo anio, dia horoahiko eo anoloanareo ny Amôrita sy ny Kanahanita, ny Hetita sy ny Perizita ary ny Hivita sy ny Jebosita.
Ny Hamalekita no monina amin’ny faritra atsimo; ny Hetita sy ny Hivita ary ny Jebosita sy ny Amôrita no any an-tendrombohitra, fa ny Kanahanîta kosa no mipetraka amoron-dranomasina Mediteranea sy amoron’i Jôrdàna.
Naniraka olona hisafo an’i Jahezera i Mosesy; dia nalain’ny Israelita izany tanàna izany sy ireo tanàna kely miankina aminy ary noroahiny ny Amôrita izay nipetraka tao.
Rehefa tonga teny ampita teo amin’ny faritanin’i Gadarà i Jesoa, dia nisy olona roa lahy nipoitra avy eny amin’ny fasana, nitsena Azy. Azon’ny demony izy roa lahy ary tena nasiaka mihitsy ka tsy nisy olona sahy nandalo tamin’izany lalana izany.
Hataonareo ringana tanteraka ireto firenena ireto, dia ny Hetita sy ny Amôrita ary ny Kanahanîta mbamin’ny Perizîta sy ny Hivita ary ny Jebôsita; hataonareo ringana tanteraka ireo, araka izay nandidian’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo,
Ny TOMPO Andriamanitrareo no hampiditra anareo any amin’ny tany izay hidiranareo mba halainareo ho fananana. Firenena maro, firenena fito izay lehibe sy mahery noho ianareo, no horoahin’ny TOMPO hiala eo anoloanareo: dia ny Hetita sy ny Girgasîta, ny Amôrita sy ny Kanahanîta, ny Perizîta sy ny Hivîta ary ny Jebosîta.
Ho fantatrareo amin’izao fa Andriamanitra velona no eo afovoanareo, ka horoahiny tanteraka eo anoloanareo ny Kanahanita sy Hetita, ny Hivîta sy Perizîta, ny Girgasita sy Amôrita ary Jebosita.