Hitan’ny anjelin’ny TOMPO teo akaikin’ny loharano iray tao an-taniefitra izy, dia teo amin’ny lalana mankany Sora,
Genesisy 14:6 - DIEM PROTESTANTA ary ireo Horita tao an-tendrombohitr’i Sehira ka hatrany Ely-Paràna izay akaikin’ny taniefitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seìra hatrany El-Parana, izay eny anilan’ny tany efitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary ireo Horita tao an-tendrombohitr’i Sehira ka hatrany Ely-Paràna izay akaikin’ny taniefitra. Baiboly Katolika ary ny Hôreanina teo an-tendrombohitra Seira fonenany, hatrany El- Faràna, izay ao akaikin’ny efitra. Baiboly Protestanta Malagasy ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seïra hatrany El-parana, izay eo anilan’ny efitra. Malagasy Bible ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seira hatrany Elparana, izay eo anilan'ny efitra. La Bible en Malgache ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seìra hatrany El-Parana, izay eny anilan’ny tany efitra. |
Hitan’ny anjelin’ny TOMPO teo akaikin’ny loharano iray tao an-taniefitra izy, dia teo amin’ny lalana mankany Sora,
Rehefa nahita ireo i Jakôba, dia niteny hoe: –Tobin’Andriamanitra ity! Dia nantsoiny hoe Mahanaima izany toerana izany.
nandao ny faritr’i Midiana ireo ka tonga tany an-taniefitra Paràna. Tao izy no nitondra lehilahy hiaraka aminy hankany Ejipta, ho ao amin’ny Farao mpanjaka izay nanome azy trano sy tany ary nampanantena azy hanina.
Tonga avy any Temàna Andriamanitra; Ilay Andriamanitra masina no tamy avy any an-tendrombohitra Paràna. Manarona ny lanitra ny voninahiny ary maneran-tany ny fiderana Azy.
Ary niainga tao amin’ny taniefitr’i Sinay ny Israelita. Tany an-taniefitr’i Paràna kosa no nijanona ny rahona.
Dia nalefan’i Mosesy avy eo an-taniefitr’i Paràna araka ny baikon’ny TOMPO ireo. Samy lohandohan’ny Israelita avokoa izy rehetra.
Ny faritany Sehîra kosa fahiny dia nonenan’ny Hôrita, saingy ny taranak’i Hesao no nandroaka azy ka nandringana azy tsy ho eo anoloany ary nonina nisolo azy. Toy izany koa no nataon’ny Israelita teo amin’ny tany nomen’ny TOMPO azy ho fananany.
Toy izany koa no nataon’ny TOMPO ho an’ny Edômita taranak’i Hesao, izay nonina tany Sehîra, fa naringany tsy ho eo anoloan’ny Edômita ireo Hôrita; dia nandroaka ny Hôrita ny Edômita ka nonina nisolo azy mandraka androany.