Dia nangoron-day i Abrama ka nandeha nipetraka tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre, akaikin’i Hebrôna, ary nanorina alitara teo ho an’ny TOMPO.
Genesisy 13:4 - DIEM PROTESTANTA Ka dia tamin’ilay toerana nanorenan’i Abrama alitara voalohany no nivavahany sady niantsoany an’Andriamanitra hoe TOMPO. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 teo amin’ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin’ny voalohany; ary niantso ny anaran’NY TOMPO teo i Abrama. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka dia tamin’ilay toerana nanorenan’i Abrama alitara voalohany no nivavahany sady niantsoany an’Andriamanitra hoe TOMPO. Baiboly Katolika dia tao amin’ilay tany nisy ôtely natsangany taloha. Ary teo i Abrama niantso ny anaran’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy dia teo amin’ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin’ny voalohany; ary dia niantso ny anaran’i Jehovah teo Abrama. Malagasy Bible dia teo amin'ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin'ny voalohany; ary dia niantso ny anaran'i Jehovah teo Abrama. La Bible en Malgache teo amin’ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin’ny voalohany; ary niantso ny anaran’NY TOMPO teo i Abrama. |
Dia nangoron-day i Abrama ka nandeha nipetraka tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre, akaikin’i Hebrôna, ary nanorina alitara teo ho an’ny TOMPO.
Nanorina alitara teo i Itsehàka ka nivavaka tamin’Andriamanitra sady niantso Azy hoe TOMPO. Namelatra ny lainy izy ary nihady lavaka fantsakana hafa koa ireo mpanompony.
Ary i Seta kosa niteraka lahy nantsoiny hoe Enôsa. Hatreo vao nivavaka tamin’Andriamanitra ny olona ka niantso Azy hoe TOMPO.
Aoka izy hidera ny TOMPO noho ny fitiavany sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona,
Aoka izy hidera ny TOMPO noho ny fitiavany sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona,
Ny TOMPO eo akaikin’izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa.
Andriamanitra ô, mba jereo ny mpanjaka izay toy ny ampinga miaro anay; tsinjovy ilay olona voahosotrao.
Rehefa miantso ianao, dia hamaly anao ny TOMPO; rehefa mitady vonjy ianao, dia hovaliany hoe: «Inty Aho.» Raha foananao eo aminao ny ziogam-pamoretana mbamin’ny fanendrikendrehana sy ny fitenenan-dratsy,
«Amin’izany, dia hovako ny firenena isan-tokony ka hodioviko ny molony; dia hivavaka amiko TOMPO izy rehetra ary hiray hina hanompo Ahy.