Koa aoka holazainao amin’ireo fa anabaviko ianao mba horaisiny tsara aho noho ny aminao, ary hovelominy noho ny aminao!
Genesisy 12:14 - DIEM PROTESTANTA Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ireo Ejiptianina fa tena tsara tarehy tokoa ravehivavy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa tonga tany Ejipta i Abrama dia hitan’ny Ejiptiana fa tsara tarehy tokoa Ravehivavy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ireo Ejiptianina fa tena tsara tarehy tokoa ravehivavy. Baiboly Katolika Nony tonga tany Ejipta i Abrama, dia hitan’ny Ejiptianina fa tsara tarehy tokoa ny vadiny. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan’ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy. Malagasy Bible Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan'ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy. La Bible en Malgache Rehefa tonga tany Ejipta i Abrama dia hitan’ny Ejiptiana fa tsara tarehy tokoa Ravehivavy. |
Koa aoka holazainao amin’ireo fa anabaviko ianao mba horaisiny tsara aho noho ny aminao, ary hovelominy noho ny aminao!
Nahita azy ny manamboninahitry ny Farao ka lasa nidera azy tany amin’ny Farao; koa nampanalaina ho any an-dapan’ny Farao ilay ramatoa.
Ary hitan-dravehivavy fa maha te hihinana ny voan’ilay hazo sady mahasarika ny maso no mampitsiriritra hahazoana fahiratan-tsaina. Dia nitoazany ny voany ka nohaniny; ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy ka nihinana.
Taorian’ireo zava-niseho ireo, dia nangata-maso tamin’i Jôsefa ny vadin’ny tompony, ka nanao taminy hoe: –Avia handry amiko!
dia hitan’ireo zanakalahin’andriamanitra fa tsara tarehy ireny zazavavy ireny, ka nifidianany izay ho vadiny.
Izaho kosa milaza aminareo hoe: izay lehilahy mijery vehivavy vadin’olona ka mitsiriritra azy dia efa naka azy sahady tao am-pony.