Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny tany ho rakotra zava-maitso: zava-maniry misy voa famafy, hazo fihinam-boa isan-karazany eny ambonin’ny tany izay samy manana ny voany avy!» Dia tanteraka izany.
Genesisy 1:12 - DIEM PROTESTANTA Fa ny tany nampitsimoka zava-maitso: zava-maniry misy voa famafy isan-karazany, hazo vokatra voankazo izay misy voany na taolany isan-karazany; ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny tany dia naniry ahitra sy anana mamoa, samy araka ny karazany avy ary hazo mamoa ka ao anatiny ny voany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ny tany nampitsimoka zava-maitso: zava-maniry misy voa famafy isan-karazany, hazo vokatra voankazo izay misy voany na taolany isan-karazany; ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Baiboly Katolika Ary ny tany naniry ahitra maitso sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa misy ny voany ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny tany naniry ahitra sy anana mamoa, samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay manam-boa ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Malagasy Bible Ary ny tany naniry ahitra sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay manam-boa ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan'Andriamanitra fa tsara izany. La Bible en Malgache Ary ny tany dia naniry ahitra sy anana mamoa, samy araka ny karazany avy ary hazo mamoa ka ao anatiny ny voany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. |
Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny tany ho rakotra zava-maitso: zava-maniry misy voa famafy, hazo fihinam-boa isan-karazany eny ambonin’ny tany izay samy manana ny voany avy!» Dia tanteraka izany.
Mampaniry ny ahitra ho an’ny biby fiompy Ianao sy mampaniry ny zavatra volen’ny olona, ary mampamokatra hanina ny tany:
Fa tahaka ny tany mampitrebona ny tsimoka eo aminy na tahaka ny zaridaina mampitsimoka ny voa nafafy no hampitsimohan’ny Tompo ANDRIANANAHARY ny fahamarinana sy ny fiderana eo anatrehan’ny firenena rehetra.
Fa mamokatra fotsiny amin’izao ny tany: tahony aloha, dia salohiny maitso, ary farany dia voany matoy eny amin’ny salohiny.
Eny, ny voany no ahafantarana ny hazo isan-karazany; fa foto-tsilo tsy ahazoana voanaviavy, ary foto-droy tsy iotazana voaloboka.
Andriamanitra, Izay miantoka masomboly ho an’ny mpamafy sy hanin-kohanina, no hiantoka masomboly ho anareo sy hampitombo azy, ka hampamokatra be dia be ny asa fiantrana ataonareo.
Aza mety hofitahina ianareo. Tsy azo vazivazîna Andriamanitra, fa izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy:
Izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka mahavokatra anana tsara ho an’ny olona iasana azy, dia mahazo fitahiana avy amin’Andriamanitra.