Nony nazava tsara tamin’i Petera ny toe-javatra, dia lasa izy nankany an-tranon’i Maria, renin’i Jôhany antsoina hoe Marka. Vory maromaro tao ny olona ary nivavaka.
Filemona 1:24 - DIEM PROTESTANTA manao veloma anao koa i Marka, i Aristarka, i Demasy, ary i Lioka izay samy mpiara-miasa amiko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Marka, i Aristarko, i Demasy ary i Lioka, mpiara-miasa amiko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara manao veloma anao koa i Marka, i Aristarka, i Demasy, ary i Lioka izay samy mpiara-miasa amiko. Baiboly Katolika sy i Marka, sy i Aristarka sy i Demasy, ary i Lioka, izay mpiara-miasa amiko. Baiboly Protestanta Malagasy sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko. Malagasy Bible sy Marka sy Aristarko sy Demasy ary Lioka, mpiara-miasa amiko. La Bible en Malgache i Marka, i Aristarko, i Demasy ary i Lioka, mpiara-miasa amiko. |
Nony nazava tsara tamin’i Petera ny toe-javatra, dia lasa izy nankany an-tranon’i Maria, renin’i Jôhany antsoina hoe Marka. Vory maromaro tao ny olona ary nivavaka.
Rehefa nahatontosa ny asa nanirahana azy tany Jerosalema i Barnabà sy i Saoly, dia niverina sady nitondra an’i Jôhany izay antsoina hoe Marka hiaraka aminy!
Niondrana an-tsambo tao Pafo i Paoly sy ny mpiara-dia taminy ka nankany Perga any Pamfilia. Tao Perga i Jôhany Marka no nandao an’i Paoly sy i Barnabà ka lasa niverina tany Jerosalema.
Nitatra eran’ny tanàna ny fisavorovoroana. Ary voapaokan’ny olona ry i Gaio sy i Aristarka, lehilahy masedônianina mpiara-dia tamin’i Paoly, ka nentiny niara-nirohotra nankao amin’ny kianja filalaovana teatra.
Ny niondrananay dia sambo anankiray avy any Adramita ndeha hitety ireo seranana tamin’ny faritany Azia, ka dia niainga izahay. Tafara-dia taminay i Aristarka, Masedônianina avy any Tesalônika.
Raha ny amin’i Tito, dia namako izy sady mpiara-miasa amiko ho fanasoavana anareo; fa iretsy roa lahy rahalahinay kosa dia irak’ireo Fiangonana ary miasa ho voninahitr’i Kristy.
Nefa nihevitra aho fa tokony halefako atỳ aminareo i Epafrôdito havantsika, izay mpiara-miasa sy mpiara-miady amiko, sady iraka nampitondrainareo ny fanampiana izay nilaiko.
Ary ianao koa, ry ilay mpiara-miasa akaiky tamiko, mangataka anao aho mba hanampy azy roa vavy, fa niara-nikatroka nanao izay hielezan’ny Vaovao Mahafaly izahay mbamin’i Klemanta koa sy ny hafa rehetra mpiara-miasa amiko izay samy voasoratra anarana ao amin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay.
Manao veloma anareo i Aristarka izay miara-voafonja amiko. Manao veloma anareo i Marka (zanak’olo-mpiray tampo izy sy i Barnabà); efa nahazo hafatrafatra momba an’i Marka ianareo, ka raiso tsara izy raha tonga atỳ aminareo.
Manao veloma anareo ilay Fiangonana rahavavy eto Babilôna, ilay Fiangonana voafidin’Andriamanitra miaraka amin’ny anareo. Manao veloma anareo koa i Marka zanako.
Koa isika no tokony hanohana ny olona toy ireny mba ho mpiara-miasa aminy hampiely ny hafatra marim-pototra.